Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Mihaino vavaka Andriamanitra par Mirana Holiarivelo

   Ny nahafahako baccalauréat 2012  

 

     Te hizara fiainana amin ny olona aho. Te ampahafantatra fa rehefa Andriamanitra no miasa tsisy afaka manakana Azy ary rehefa zanany ianao ampiavahany amin ny olona rehetra ary tsy avelany angahiahy mandrakizay.


     Rehefa nanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao ianao dia tonga izy dia miasa ary tena miasa. Manana ny lalany manokana Izy itondrana ny fiainanao ary Lalana izay tsy takatry ny saina akory.

     Tsy vao ela akory ny tenako no nanala fanadinana baccalauréat. Nandritra ny fotoana nanaovana famerenana dia nangataka ny fanahy masina hatrany aho hitarika ahy, satria tsy ampy ahy ny fotoana nianarana ary tsorina fa tsy dia nahay firy aho tany am-pianarana. Tsapako fa natahotra mafy aho; miantomotra ny fotoana lehibe kanefa izaho mbola tsy vonona mihitsy. Nangataka tamin ny Tompo aho mba ho eo anilako ary tsy handao ahy hatramin ny farany. Nino sy nanana fahatokiana tanteraka taminy aho ka hoatran'ny tsy hanala fanadinana akory tonga teny amin ny toerana. Vao nivoaka indray anefa ny sujet, hoatran'ny tsy nisy aiko mihitsy, niverina indray ny tahotra ary nangataka aho mba tsy amela ahy irery Izy. Isaky ny mivoaka ny sujet amin'ny taranja iray dia tahak izay hatrany. Nieritreritra mihitsy aho hoe: "Ohatran'ny tsy nianatra nandritra ny taona!" Nisy fotoana mihitsy aza aho nitomany satria dia tsy nisy aiko. 

     Nony vita ny fanadinana dia miandry ny valiny amin izay mandritra ny andro maromaro...

     Nitaintaina mafy ny tenako. Tahaka ny ankizy rehetra dia nanao kajikajin ny naoty isan-karazany... Vao maika nampatahotra!


     Nivavaka aho ary nangataka tamin ny Tompo mba tsy amelany ahy irery satria efa nanaiky Azy hitantana ny fiainako sy ny ho avy. Maro ireo olona nankahery sy nanome "courage" ary tena tsapako fa Andriamanitra no naniraka Azy ireo hiresaka amiko sy hampita hafatra ny amin ny tokony ahatokiako Azy foana sy ananako Finoana. Anisan'izany ny teny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny Jeremia 29:11"Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany."  sy ny lsaia 61:8 "Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; Halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana; Homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, Ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy." 

    Natahotra aho kanefa nino fa Teo akaikiko ny Tompo tamin ny nanatontosako ny fanadinana na dia tsy nahay aza aho. Nangataka ny fanahy masina foana aho isan andro hampianatra ahy hahatoky ny lalany. 

    Tonga amin izay ilay andro lehibe ! Nandeha nijery ny valim-panadinana amin'izay. Tsy dia feno tahotra intsony aho fa nahatoky Azy foana.

     Nijery ny affiche aho ary hitako ny anarako!!!

    Tiako ampitaina aminao fa mihaino vavaka ny Tompo ary ny zanany tsy avelany ho resin'ny fiainana izany n'inona n'inona mitranga.

 
     Amin'ny olana miseho tsy hananana vahaolana mihitsy no ampisehoany ny voninahiny, ary tsy miankina amin'ny fahaizana sy ny fahalalana intsony ny fiainana fa amin'ny Finoana. Manana lalana hitondrany anao manokana Izy, ary rehefa Izy no mialoha anao tsisy afaka anakana Azy intsony. Araka ny Isaia 30:21 "Fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, Ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano."


     Raiso Jesosy hiditra ao am ponao fa hahita fahagagana ianao ary hahazo fahasoavana be dia be, izay tsy takatry ny sainao akory.

     Azy irery ny voninahitra!!!

 

Mirana Holiarivelo



28/06/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres