Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Ny foko ry mpamonjy, mangetaheta Anao (FFPM 470)

Ny foko, ry Mpamonjy,

Mangetaheta Anao,

Maniry lalandava

Hikambana Aminao

 

Ref: Tsy afaka ao am-poko

       Ny faniriana Anao

       Oneno re ny foko

       Ho tena lapanao!

 

Ny androm-pahoriana

Raha lapanao ny fo

Manjary fitahiana

Izay manadio ny fo

 

Ref

 

Ny ora fifaliana

Raha eo anilanao

Mamelom-paniriana

Hanao ny sitrakao

 

Ref

 

Ho lao ny fahotako

Raha akaikezinao

Tsy misy hadalako

Izay tsy afakao

 

Ref

 

Finaritra ny saiko

Raha ipetrahanao

Fa reraka ny aiko

Raha halavirinao

 

Ref

 



02/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres