Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Amoron'ny mandrakizay

N'iza n'iza, ambavahoana

Mangetaheta fiainana mandrakizay

Nahoana no hiandry teren'ny fotoana

Vao hifoha, hiantsoantso hoe "Ny Ray!" 

 

Fahaizana, harena, diplaoma

Tsy hahazoana na tombon'andro iray

Nahoana no hiandry fasana manoloana

Vao hieritreritra mandrakizay

 

Fiv: Fiadanam-po, fantatro fa voavonjy Ianao

      Raha hisy ilaza izao dia izao

      Mbola  hihaona izaho sy ianao

      Ho hitantsika, toy ny masoandro mibaliaka

      Ireo marina manaiky ho hamarininao

      Mahery fo, izany no tiako handraisany ahy

      Niady ny ady tsara, nanamarika tantara

      Aza manahy, zanaky ny Ray aho

      Fifaliana ao an-danitra ao

      Raha ho avy ianao

 

Tanora mihevitra tompon'ny fotoana

Misaona amoron'ny mandrakizay

Tsy ampoizina satria vaovao ratsy foana

Tsy miomana nefa lasa poa toy izay

 

N'iza n'iza anie ambavahoana

Isan'andro ny famonjena omeny anao

Ala-nenina ny ahy na dia lavinao foana

Tsy hoe tsy nahalala akory Ianao

 

Pour écouter la chanson: http://www.youtube.com/watch?v=RxR6bzgoWHg

 

 



06/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres