Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Efa nasandratra Izy

Ireo lavitra taloha

Lasa akaiky avokoa

Jesoa no famelana

Izy no fahazavana

 

F'efa nasandratra Izy (x4)

 

Raha olona eran-tany

No voavidin'ny rany 

Ho Azy mandrakizay

An-tranon'ny Ray

 

F'efa nasandratra Izy (x4)

 

Efa nasandratra Izy...

 

Ny tanjona tafita

Jesoa no nahavita

Izy no tompon-daka

Mpanjakan'ny mpanjaka

 

F'efa nasandratra Izy (x4)

 

Jesoa no Kapiteny

Ombay ombieny ombieny

Ankavanan'ny Ray

Mivavaka ho ahy

 

F'efa nasandratra Izy (x4)

 

 

 



19/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres