Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Fanahy Masina

Mangetaheta aho

Maniry hanakaiky Anao 

Tsy hanao izay hampalahelo Anao 

Tsy tia ota intsony aho 

Tafasaraka

Voatokana ho an'ny fanjakanao

Noho ny famindrapon'I Jesosy Kristy

Sy ny fitiavan'Andriamanitra Ray

Ary ny firaisana Aminao

 

Fanahy Masina ô

Fenoy fenoy aho

Toy ny fofon'aiko

Ilaiko ny fisianao

Te ho sakaizanao

Akaiky ny fonao

Ianao no hany

Andriamanitra ety an-tany

 

Mangetaheta aho

Handeha amin'ny fanahy

Fahefana, fahaiza-manao

Omeko Anao

Tsy hamono ny fahazavana aho

Koloiko ho tamana

Fa Ianao no mitondra ahy 

Amin'ilay mandrakizay

Eo anoloan'Andriamanitra Ray

Amin'ny vavak'I Jesosy Kristy

No ho ny firaisana Aminao

 

Avia dia toroy aho

Ento, tariho aho

Tsy misy atakaloko

Izay efa ananako avy Aminao

Hamarino aho

Hamasino aho

Ampianaro aho 

Hazavao aho 

Amin'ny firaisana Aminao

 



13/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres