Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Mahatsiaro resy

Mahatsiaro resy ny foko

Lavitra Anao aho ka mitoloko

Zatra ny tànako tantananao aho 

Ka very aho nefa izaho no nandao

 

Diso taminao ity foko adala

Ka mifona aho Tompo malala ô 

Mamelà ahy, mba sasao ny fanahy

Fa te hihaona Aminao aho

Te hiray ao am-po toy ny teo aloha

 

Ny teny fampanantenanao

Nefa arako mafy ao ampoko ao

Satria Ianao tsy miova

Raha nantsoina handova 

Avelao mba ho anilanao

 

Aza asorina ao anatiko ao

Fa aoka ho ahy ny fanahinao

Fafao ny adalako

Adinoy ny fahotako

Fa te hihaona Aminao aho

Te hiray ao am-po toy ny teo aloha

 

Na izany aza Tompo malala ô

Ny fitahianao ho ahy tsy miala

Faly aho satria ny Anao

Ny fitia tsy miova fa ho doria

 

Mba raiso re ity fiderana

Ity fo nahazo famelana 

Indro atolotro indray izao

Ny foko hiasa ho anao

Hiara-dàlana Aminao aho

Tantano Tompo ny dia ho doria

Ho doria



19/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres