Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Mino aho

Zoky a, misy afo mampafana
Miredareda eo amin’ny fiderana
Misy firaisam-panahy
Misy hery mampiray hanambatra indray ny fizarazana

Zoky a, toy ny ety ambon'ny tany
Maro ny mijery antsika any an-danitra any
Fa na ny any na ny aty nasainy hifankatia
Mifampitantana fa lavitra ny dia

Ref :
Mino aho, eny mino aho f'efa manakaiky ihany ny fanjakany
Ireo mino mahalala ihany
Mifandray tànana amin'izany
Miaraka ihany hatrany an-danitra any
O o o mino aho, eny mino aho f'efa manakaiky ihany ny fanjakany
Ireo mino mahalala ihany
Mifandray tànana amin'izany
Miaraka ihany hatrany an-danitra any


Zoky, alitaran'ny fiderana
Miandry antsika hanandratra ny fahazavana
Ny fanilo an-tananao
Ny fanasina lazainao
Tsy mamono fa manome aim-baovao

Zoky a, rehefa mivavaka ianao
Misy hery vaovao am-poko ao
Reko ny hafalian'ny Ray

Mahita antsika tafaray

Miara manao fihiram-baovao

Ref 

Fa mahery ny fanahy
Handresy lahatra indray
Ireo manao lalao, mpanameloka rahalahy
F’ireo zanaky ny Ray
Hampihavana amin'izay
Ny mpivavaka mino Tompo iray

Ref 

 




16/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres