Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

3- Aza mangataka andro

NY TOERAN'I JESOSY EO AMIN'NY FIAINANTSIKA

 

Nisy lehilahy iray tratran'ny olona nangalatra. Nafatotra sy nampijaliana izy ary dia samy nanampatra namono azy avokoa izay olona sendra teo.


Nandalo ny lehilahy iray ka nanontany azy ireo: "Fa maninona izy no vonoinareo toy izao?" dia namaly ny olona: "Satria tratranay nangalatra ka tsy hamelanay!"
Dia hoy rahehilahy: "Avelao izy handeha fa indro, efaiko ny zavatra nangalariny!". Dia nitodika tamin'ilay lehilahy nangalatra kosa Izy ka nanao hoe:" Aza mamerina mangalatra intsony amin'ny sisa!" dia nanaiky sy nisaotra azy ilay lehilahy!


     Dia nandeha ny fotoana, mbola tratra nangalatra ihany ity lehilahy ity, ka dia avy indray ny olona hamono azy, kanefa mbola sendra ilay lehilahy malemy fanahy ihany izy, ary dia nangataka famindram-po sy nifopona indray ary ity farany dia nanefa indray ny sandan'ny zavatra nangalariny ary mbola niteny indray: "Tsy efa mba niteny taminao ve aho, nefa mbola mamerina ihany ianao?" dia niaiky indray ralehilahy ka nifopona sy nisaotra ilay Malemy Fanahy, ary dia samy lasa izy zareo.


     Taty aoriana, mbola nangalatra ihany ralehilahy. Tsy namono intsony ny olona fa nentin'izy ireo teo anoloan'ny Fitsarana izy. Gaga ity mpangalatra ity fa ilay lehilahy izay niantra azy hatramin'izay no eo amin'ny toeran'ny mpitsara, nanenika azy ary ny fanantenana ka nitalaho sy nangataka famindram-po ary fifonana indray izy. Indrisyanefa, niteny azy ilay mpitsara ka nanao hoe: "Efa nangalatra ianao, namindra fo taminao aho ary nitondra ny otanao. Mbola nangalatra ihany ianao taty aoriana, mbola namerina foana ianao, namindra fo ihany aho. Ankehitriny kosa, tsy misy azoko atao aminao intsony fa dia tsy maintsy ho tsaraina araka ny nataonao ianao!"

 

____________________________________________________________________

     Dia toy izany ny toeran'i Jesosy eo amin'ny fiainantsika, misolo heloka antsika eo anatrehan'Andriamanitra Izy, ary mamindra fo amin'ny fahalementsika, fa ho avy ny fotoana, dia ny Fitsarana any an-danitra, hipetraka eo amin'ny Fitoeran'ny Mpitsara tokoa Izy ary amin'izay tsy misy intsony ny famindram-po ho an'izay tsy mety miala tamin'ny ratsy fanaony!


     Aza mangataka andro, dieny mbola eo Jesosy hamela heloka, manantona Azy ho dioviny amin'ny fahotana rehetra mba tsy hiantra ny "fanamelohana farany" izay tsy ahazoana famindram-po intsony!


      Ny Tompo hitahy antsika rehetra!



16/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres