Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Témoignage: Ny helo sy ny lanitra, hafatra ho anao - Yves (cevam)

     Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.

 

     Ity “article” soratako androany ity dia fitantarana ny fijoroana vavolombelona izay nataona tovolahy iray (Yves no anarany, teratany Malagasy izy) tao @ fiangonana misy anay, ny alahady 27 marsa 2011.

 

     Tsy dokam-barotra velively ho an’izany fiangonana izany sanatria na hoe fiantsoana anareo hiala @ fiangonana misy anareo ka hiditra ao @ fiangonana hivavahanay na koa fanaratsiana fiangonana hafa no anton’izao fa Jesosy mihitsy no nanafatra ka manatanteraka izany hafany izany izahay ankehitriny.

 

     Tsy tantara foronina izy ity sanatria fa tena zavatra nihatra sy niainan’i Yves ary nataon’iTompo taminy mba hilazan’Andriamanitra ny tokony hataontsika rehetra ety an-tany amin’izao fotoana efa hahatongavan’I Jesosy izao, izay tsy ho ela intsony.

 

     Ny fanahin’Andriamanitra anie hiasa ao anatinareo, hendresy lahatra anareo ary koa hanananareo faharetana eo am-pamakiana izao hafatra izao.

-----------------

     Volana vitsivitsy talohan’ny nisehoan’i Jesosy tamin’i Yves, dia nanao fahagagana lehibe taminy Andriamanitra: Misy lesona sahady eto hoe "rehefa manao fahagagana tsy takatry ny sain’olombelona aminao Andriamanitra dia tadidio fa misy “mission” tian’Andriamanitra hotanterahinao".

 

     Voan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny “moto” izy tamin’ny faraparan’ny taona 2010. Voadona mafy ny lohany tamin’izany. Nentina tany amin’ny dokotera izy ary natao ny scanner mba hahalalana izay tena zava-misy ao anaty lohany ao. 

 

     Fantatra tamin’izany ary fa nisy rano  niandrona tao, izay voalazan’ny dokotera fa tsy maintsy esorina satria mety hiteraka fahafatesana ho azy ao anatin’ny andro maromaro. Nilaza mihitsy aza ilay dokotera hoe:

     - "Efa "phase secondaire (début cancer)" no mahazo anao ry Yves ka tsy maintsy ho didina ianao satria mety ho faty ianao raha tsy atao haingana izany”.

 

     Marihina aloha fa olona mbola tanora i Yves ary be hanihany be. Mino sy matoky ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany anefa izy.

 

         Nandà mafy ny @ izany handidina ny lohany izany izy. Hoy izy tamin’ny dokotera:

       - “Tsy didina zany mihitsy aho ary tsy hosokafana izany ny lohako, fa zao, aleo Andriamanitra no hitsabo an’io fa hainy ny zavatra rehetra”.

 

       Nanakiana azy avokoa ny olona rehetra tao an-tranony, indrindra fa ny rainy. Ilay dokotera moa dia kivy mihitsy hoe “bandy mafy loha be n’edala”.

 

       Nandritra ny andro vitsivitsy dia nianarary tanteraka ny lohany. Manao “crise” isaky ny amin’ny 2ora maraina ary tena hila hitresaka ny atidohany mandritra izany fotoana izany. Tena narary mafy Yves !

 

          Nisy fotoana aza izy efa safotra mihitsy ary somary arahina olona izy indraindray sao maty an-dalana. Niezaka ny nandresy lahatra azy ny dokotera ny @ fandidina tsy maintsy hatao aminy saingy nilaza foana izy hoe:

       - “Aleo Jesosy no hanasitrana an’io fa tsy didina zany ny lohako. Hainy io!”.

 

        Nandeha teny ny andro, ny rainy efa nanomboka sorena. Ny bandy namany efa milaza azy ho “adala”, saingy tsy naharesy lahatra azy izy ireo. Tsy nety hodidina mihitsy izy.

 

         Indray alahady hariva ary dia nisy fametrahan-tànana ho amin’ny fanasitranana tao amin’ny fiangonana misy anay (misy an’i Yves ihany koa). Tonga teo amin’ny anjarany amin’izay (satria milahatra moa rehefa hametrahana tànana). Niteny ny mpanompon’Andriamanitra izay nametra-tànana teo amin’ny lohany hoe:

        - “Amin’ny anaran’i Jesosy, miala aminao ny aretinao rehetra na inona na inona, sitrana ianao”. 

 

       Marihina etoana moa fa ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy nahalala velively hoe marary Yves satria fantatr’I Yves fa rehefa sitrana eo izy dia tsy maintsy antsoina hijoro vavolombelona ao am-piangonana nefa izy tena saro-kenatra be.

 

       Tamin’izay fotoana izay aho, hoy i Yves, dia henoko ho nangoritsina avokoa ny tenako rehetra ary tena tsapako fa niditra tao anatiko ny herin’Andriamanitra izay nanasitrana ahy. Ny harivan’io alahady io ihany Yves dia nahatsapa fa “tena en forme be”, tsy toy ny teo aloha intsony. Tsy nihetsika intsony koa ilay marary an-doha be isaky ny @ 2ora maraina.

 

        Nandeha tany amin’ilay dokotera mpitsabo azy avy hatrany izy ny alatsinainy ampitson’io ary nangataka ny hanaovana scanner ny lohany. Tsy niteny tamin’ilay dokotera mihitsy aloha izy hoe inona no zavatra nitranga fa dia hoe “ataovy scanner ny lohako”. Tokony nanao “calmant” mantsy izy tamin’io fotoana io, araka ny mahazatra, saingy “scanner” no nangatahiny hatao.

  

         Natao ny “scanner”. Nivaly izany ary dia hoy ilay dokotera hoe:

     - “Misy erreur ity valiny ity fa zao, mila miverina aty ianao rahampitso hatao scanner fanindroany, fa anio aho mbola handray marary maro ka tsy afaka hivalamparantsika ny fotoana”.

 

        Natao ary ny “scanner” ny ampitson’io. Nivoaka ny valiny. Talanjona ilay dokotera fa tsy nisy na inona na inona intsony tao anaty lohan’Yves. Nanjavona ilay rano niandrona tao. Gaga tanteraka ilay dokotera. Tsy hitany izay nolazainy fa hoy izy tamin’i Yves hoe:

       - “Tena manana finoana ialahy ry Yves ary mahery ilay Andriamanitra hinoan’ialahy”.

-----------------

           Taorian’izay fahagagana lehibe nataon’Andriamanitra taminy izay dia nisy teny faminaniana

nolazain’Andriamanitra tamin’i Yves tao am-piangonana indray alahady maraina izay nanambara taminy fa mila mitory an’i Jesosy izy, ary ho irahin’Andriamanitra hanao ny asany. Voateny tamin’izany mihitsy ny hoe “Yves, miandry anao Madagasikara”.

 

           Tsy dia nampiasa saina tamin’io teny io loatra Yves tamin’izany. Izy koa mantsy tovolahy be hanihany izay sady somary saro-kenatra. Niteny mihitsy aza izy tamin’izany hoe “dia ahoana koa zany hoe “miandry anao Madagasikara?” – Fa maninona no tsy hoe “miandry anao izao tontolo izao” (sady nihomehy ihany izy)

 

            Eny rehetra eny anefa dia manindry azy foana io teny faminaniana nolazaina taminy io. Ary nony taty aoriana dia lasa saina ihany izy hoe “inona tokoa moa zany no tena andrasan’Andriamanitra amiko amin’izany teny izany e” – “inona no dikan’izany?”

-----------------

           Indray andro, tsy nahasakafo mihitsy Yves, ary tsy nisy niditra tamin’ny lohany izay asa nataony, ka notohizany ho fifadian-kanina avy hatrany io andro iray io. Nivavaka hatrany izy nandritra izany fotoana rehetra izany.

 

               Tonga ny tamin’ny 4ora hariva, mbola tsy nahazo valiny tamin’i Tompo ihany Yves. Tapa-kevitra izy fa hampilaza ny namany mba hitondra am-bavaka azy ny amin’izany rehetra izany.

 

            Nipaika ny tamin’ny 10ora alina, mbola tsy nahazo valiny ihany. Dia nilaza tamin’iretsy namany àry Yves hoe “aleo matory daholo indray aloha àry, ka dia tafandria mandry avokoa ianareo rehetra”.

 

               Yves irery sisa no nanohy nivavaka hatramin’ny 10ora sy sasany alina. Tsy naheno valiny mihitsy anefa izy hatreto. Nanomboka nimonomonona izy (araka ny toetran’Yves taloha io):                   - “Fantatrao Jesosy ny hetahetako, te hahalala ny dikan’ilay hoe “miandry anao Madagasikara” aho, kanefa toa tsy mety mahazo valiny mihitsy aho hatramin’izao. Ka izao, raha tsy hovalinao ‘zao ny dikan’io dia aza fohazinao zany aho a! Avelao aloha aho hatory tsara anio.”

 

              Natory izy. Tamin’ny 12ora alina tany ho any, niantso “Jesosy” indroa ilay rahalahiny izay natory tao an’efitra ilany.  Taitra tamin’ny torimasony Yves naheno izany ary tonga dia nitsangana avy hatrany ka namonjy teo antongom-pandriana mba hivavaka. Io no fomba namohazan’I Tompo azy tamin’io alina io.

 

          Tsy nandrehitra jiro intsony izy fa tao anaty haizina no nivavaka. Nataony “mode silencieux” ny findainy tamin’io fotoana io ary napetrany teo akaikiny teo.

 

       Nanomboka niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra izy teo (izay efa tsy nisy taminy intsony efa ho heritaona sy tapany izay).  

 

       Tampoka teo, (mbola nikipy izy), nisy hazavana be. Dia hoy izy hoe:

     - “Iza koa ary zany miantso amin’ny alina be zany? Tsy hamaly an’izany aho fa olona tsy milamina no miantso amin’izao alina be zao (sady mbola mikipy ihany izy).

 

      Noheveriny mantsy fa ilay findainy nataony “mode silencieux” zay napetrany teo akaikiny no manome ity hazavana hitany ao anatin’ny haizina ity !  Naheno feo avy hatrany izy niantso ny anarany hoe “Yves” izay malefaka dia malefaka.  Mbola gaga ihany izy hoe iza koa zany miantso izany. Niantso fanindroany ilay feo sady nihamafy: “Yves!”  

 

      Ary rehefa nitraka izy ka nahirany ny masony dia nahita tsanganan’Olona teo anoloany izy, taoarin’ilay fiantsoana faharoa: ny vatany sy ny tongony ihany no hita fa ny lohany dia tsy hay jerena satria nanjelanjelatra be.

 

      Niteny io “Olona” io hoe:

       - “Izaho ilay Imanoela!!!! Nitady ahy tamin'ny fonao sy ny fanahinao ianao!! Fantatro fa mangetaheta mafy ny hahalala ny dikan’ilay hoe “Miandry anao Madagasikara” ianao ry Yves ka raha mety hiaraka Amiko ianao ka matoky Ahy ny amin’izany dia hohazavaiko anao io teny faminaniana azonao io, aorian’ny fitsidiana izay hiarahantsika hatao”.

 

       Niahotra aho, hoy i Yves ary niteny taminy hoe:

         - “Ahoana moa no hahalalako fa Jesosy ianao? – “Asehoy ahy ny tarehinao.  

 

     Nihomehy ilay “Olona” sady niteny hoe:

         - “Ny endriko tsy ho hitanao fa ho fantatrao ny anton’izao ao aoriana ao”.

 

     Rehefa vita zay dia noraisin’ilay “Olona” avy hatrany ny tànan’ny Yves . “Tena tànana hafa zany ry reto a”, hoy i Yves. “Mbola tsy nahita tànana tsara ohatra an’izany mihitsy aho: malefaka be, ohatran’ny tànanjazakely… Tsara e. Tena mahafinaritra be… Tonga dia nahatsapa fiadanana be aho ary niala tato anatiko avy hatrany ilay tebiteby hoe tena Jesosy marina  ve ity miresaka amiko ity.

 

Nilatsaka tato anatiko avy hatrany ihany koa ny fandresen-dahatra fa Jesosy no manoloana ahy”

 

-        “Manaiky aho ny hiaraka Aminao Jesosy, hoy i Yves, fa ho aiza anefa?”

-        “Ho entiko hijery ny amin’ny helo ianao, ary ho any an-danitra isika avy eo”, hoy i Jesosy

-        “Ok zany Jesosy”, hoy i Yves.

 

     Mieritreritra i Yves eo fa manonofy angamba izy kanjo tonga dia namaly azy avy hatrany i Jesosy hoe:

     - “ tsy manonofy velively ianao ry Yves fa tena miaraka amiko zao!!!”

 

       Ary nanomboka teo aho hoy Yves dia tena resy lahatra hoe “tena miaraka @ Jesosy aho izao ary tena tsy manonofy”.

 

    Niara-niainga teo amin’ilay efitrano nisy ahy izahay, hoy i Yves. Hitan’ny masoko fa niala tamin’ny vatako ny fanahiko. Nihakely tsikelikely ilay vatako mandohalika manao pyjama mivavaka eo an-tongo-pandriana ary tsy hita intsony izany avy eo.

---------------

       Tampoka teo, hoy Yves, nanoloana vavahady vy lehibe iray arafesenina izahay.

 

     Eo ankavanan’i Jesosy no misy ahy, hoy ihany izy. Novohainy ilay vavahady vy be. Nandalo tamina lalantsara maizina sady masiso be izahay avy teo (Tsy hitako izay hilazana ny hamaimbon’io “tunnel” nandalovanay io fa tena maimbo be loatra: afangaroy @ fofona voalavo maty ny fofona fromazy… sy ny fofona zôrdira efa lo … dia ampitomboy 1000, dia ohatra an’izay ngamba no afaka ilazako azy).

 

       Dia niteny tamiko Jesosy, nanao hoe

       - “Ho entiko hijery olona karazany fito ianao anio fa tiako hahita zavatra ianao ary misy zavatra tiako hambara aminao”.

          -  “OK Jesosy”, hoy Yves

       

      Vao niditra tao izahay dia mafana sady mamay be ny toerana. Feno olona mikiakiaka miantso “vonjeo”. Tena tsapako mihitsy izy ireo hoe mijaly tanteraka”.

        - “Andao isika, hoy i Jesosy, ho ery amin’iry rangahy raim-pianakaviana iry fa misy zavatra tiako hohenonao eo”.

 

     “Izaho amin’io, hoy i Yves tena torakovitra mahita ny fijaliana be mahazo ireto olona manoloana anay ireto”.

  

        Marihina aloha, hoy i Yves, fa rehefa miresaka amin’ireto olona novangianay tao amin’ny helo ireto izahay dia tsy mahita ahy ireo olona ireo fa Jesosy ihany no hitany.

------------

        Tonga teo amin’ilay raim-pianakaviana izahay :

- Jesosy : “Efa ela ve ianao no tonga teto?”

- Ilay rangahy: “Efa ela tompoko”

- Jesosy : “Efa naheno ny fitoriana na ny fanambarana momba Ahy ve ianao?”

- Ilay rangahy : “Eny tompoko, efa naheno aho. Ny ankohonako (vadiko, ny zanako) samy efa nandray an’Andriamanitra daholo fa izaho irery no tsy niraharaha izany, tsy nandray”.

 

     Ilay raim-pianakaviana @zany tena mijaly be : lalovan’ny afo dia miala avokoa ny nofony rehetra dia miverina indray izany nofony izany ary lalovan’ny afo indray izy. Ankoatra izany, dia mivoaka bibilava sy kankana ny sofiny, andadizan’ny kankana koa ny vatany ary miezaka manala izany kankana izany izy fa tsy mety miala aminy mihitsy ireo. Dia lalovan’ny afo indray ilay rangahy avy eo. Dia toa izany hatrany no mahazo azy  

 

      Ary hoy Jesosy t@ Yves: “Hitan’ Yves a, ny Ray dia efa niteny hoe apetrako eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ka safidio ny fiainana!!! Nefa jereo nisafidy ny fahafatesana izy ary tsy misy hevitra intsony ny momba azy

------------

          Niala teo amin’io raim-pianakaviana io izahay dia nandeha tao amin’ny efitra iray hafa : 

“Hiresaka amin’itsy lehilahy itsy indray isika ry Yves”, hoy Jesosy.

Nanomboka teo dia tena nahavaky ny fon’i Yves tanteraka ny fahitany ireo olona izay nantonin’izy sy I Jesosy. “Nirotsaka ny ranomasoko… Nalahelo be aho!”, hoy izy. “Tsy hitako izay natao. Te hanavotra azy ireo hiala ao anatin’ilay afobe foana aho nanomboka teto”.

Fantatro ange Jesosy io olona io e”, hoy Yves

“Eny, hoy Jesosy, fantatrao io, fa andao fa tiako hihaino zay lazainy ianao”

 

         Nirotsaka ny ranomasoko, hoy i Yves, fa tsy tantiko ny nahita ity lehilahy ity izay kilan’ny afo ary mahatsapa izany fandoroana atao aminy izany. Namako izay vao maty tamin’ny volana novambra 2010 lasa teo mantsy izy io. “Tena i Rija io anaty afo io, hoy fotsiny aho, sady nitomany aho”.

 

 

         Nanantona an’i Rija izahay :

- Jesosy : “Efa ela ve ianao no taty?”

- Rija : “ie, efa ela, depuis novembre 2010”

- Jesosy : “Efa nahalala sy nahare ny momba Ahy ve ianao ?”

- Rija : “Eny, efa henoko ny momba Anao na tamin’ny radio na tamin’ny télé. Nisy namako iray izay aza niteny tamiko foana fony izaho teny an-tany hoe “lisany ho’aho mila mandray an’i Jesosy” fa nataonay vazivazy foana izany rehetra izany. Nomenay “surnom” mihitsy aza izy tamin’izany hoe “rarevy” (révérend)”

 – “Fa ankehitriny aho handray anao amin’izay Jesosy a fa avohay ato aho e !

Vonjeo aho! Vonjeo aho fa mijaly be”. 

Niteny tamiko Jesosy avy teo hoe “tsy misy hevitra intsony ny momba azy!.Tena efa tara loatra! “

------------

        Taorian’ilay namako dia nentiny tany amin’ny efitra fahatelo indray aho ary nanantona olona iray indray izahay.  Akory ny hatairako hoy ianareo raha nahita fa bebenay io olona fahatelo nantoninay io. Tena ontsa be ny foko. Nalahelo be aho dia hoy aho mantsy an’i Jesosy hoe “Fa io nenibenay io ange Jesosy tena tia be anay e, sady mandeha mivavaka tsy tapaka isaky ny alahady tao amin’ny fiangonana FJKM iray izay foana izy fony fahavelony nefa maninona izy no aty?

“Ie, marina izany ry Yves, fa zao, fahazarana fotsiny no nandehanany tany am-piangonana tamin’ireny fotoana ireny fa tsy nandray Ahy, tsy nanao Ahy ho antom-pahavelomany teo amin’ny fiainany izy fa “routine” no nahatonga azy hivavaka tany”. “Tena kepoka aho. Tsy niteny intsony fa nalahelo be ary tena vaky tanteraka ny foko”, hoy Yves teo ampitantarana!!!

 

      Hoy Jesosy taminy” andao isika anantona eny ry Yves”  Namaly Yves hoe “tsy vitako ny hanantona eny Jesosy a!! tena tsy zakako intsony izao, izaho anie nanontany anao fotsiny hoe inona no dikan’ilay hoe MIANDRY ANAO MADAGASIKARA dia zavatra mahavaky fo be toy izao ve no asehonao ahy?”  Dia namaly azy Jesosy ka nanao taminy hoe “ ho fantatrao ny anton’izao rehetra izao ao aoriana kely ao”.

------------

       Niditra tamina efitrano hafa indray izahay ary nahita tovovavy iray izay mijaly fatratra ao anaty afo. Miantso “vonjeo” izy. Mikiakiaka be. Mijaly loatr’e !  Niahotra indray aho. “Izaho, ho aho, Jesosy tsy hanantona eny. Tsy ho eny aho. Olona fantatra koa io olona asehonao ahy io”

“Ie, fantatrao tokoa io, fa andao ho eny fa misy tiako ho henonao izay lazainy amintsika”.

 

        “Io tovovavy io mantsy, hoy Yves, ankizy niara-nianatra tamiko tany amin’ny lycée. “Niaraka taminy aho tamin’izany fotoana izany saingy nisaraka izahay avy eo”.

 

          Nanantona azy izahay :

- Jesosy : “Hono ho’aho, efa ela ve ianao no taty?”

- Ilay tovovavy : “Eny, efa ela, nanomboka tamin’ny 1998”

 -Jesosy : “Inona no nahatonga anao aty amin’ny helo aty”

- Ilay tovovavy : “Namono tena aho dia tonga dia taty

- Jesosy : “Fa inona no antony?”

- Ilay tovovavy : “Nisy olona nandratra ny foko dia naleoko namono tena

- Jesosy : “Iza izany olona nandratra ny fonao izany?”

- Ilay tovovavy : “Any izay olona atao hoe “Yves” izay!”

 

          Tena vao maika vaky tanteraka ny foko!!!tsy hitako intsony izay natao!!!… Tena nalahelo be aho !  “Te hamonjy azy fatratra aho kanefa raha vao mamindra 1m d’efa mamay be tsy azo idirana ilay toerana. Tsy afaka nanao na inona na inona mihitsy aho nanoloana izany rehetra izany. Marihina moa fa io tovovavy io dia lalovan’ny afo dia lasa sola be ary avy eo ndray miverina ny hodiny sy ny nofony dia andadizan’ny kankana sy bibilava!!! Dia toy izay hatrany”, hoy Yves.

------------

           Nifindra efitra iray indray zahay avy teo ary niresaka tamina vehivavy anankiray izahay (Soa fa tsy fantatro io vehivavy io!)  Tena nijaly tanteraka izy satria idiran’ny afo eo amin’ny fivaviany , mivoaka bibilava ny vavany, mivoaka kankana ny masony ary tselaran’ny afo hatrany izy”. Mijaly be e!

“Hitanao io vehivavy io ry Yves ?”, hoy Jesosy

“Ie, hitako io Jesosy”

Toa izao no mahazo ny vehivavy izay feno hajejojejoana ( misarika ny mason’ny olona @ fomba fiakanjo sy fitondran-tena tsy maotina ka mahatonga fitsiriritana azy izany fihetsiny izany) tamin’ny fahavelomany

 

                 “Fa tena fahoriana ry reto zany a”, hoy i Yves teo am-pitantarana.

Nandritra ireo “visite” nataonay ireo, hoy izy, dia nisy fotoana Jesosy latsa-dranomaso mihitsy fa nalahelo loatra an’ireto olona mijaly sy fadiranovana ao @ helo noho ny tsy fibebahany fony fahavelony.  Hay zany Jesosy tena malahelo mihitsy rehefa misy olona tsy manolon-tena ho Azy. Saingy tsy afaka manao na inona na inona intsony Izy ho fanavotana an’izy ireo satria efa tara loatra. Tena sarobidy ho Azy ny fanahin’olona iray.

 

------------

                “Taorian’ireo “visite” natao ireo dia naheno feo mikorontsana (toa ireny firotsahan’ny vola atao amin’ny machine filokàna ireny (jackpot e) aho”, hoy Yves.  

Nanontany an’i Jesosy i Yves hoe “inona izany?”.  “Andao fa ho entiko any mihitsy ianao izao”, hoy Jesosy  Niditra teo amin’ilay efitra nahenona ilay feo izahay.  Akory ny hatairako nahita ny filatsak’ireto olona avy any (avy aty an-tany ho any amin’ny helo) toy ny @ jackpot mihitsy.

 

                 “Toa izao ny fahatongavan’ireo olona izay hiditra ny helo”, hoy Jesosy.   Tsy mahatsapa mihitsy izy ireo amin’ny voalohany aloha hoe tonga aty amin’ny helo, fa rehefa sarangotin’ny devoly avy eo vao tonga saina hoe “tena aty amin’ny helo kay ty zaho!”. Ary eo vao torakovitra… nefa tsy afaka ny ho aiza intsony ! Manomboka eo dia efa mahare fangirifiriana be ry zareo satria roitin’ny devoly ny hodiny ary miendaka avokoa izany avy eo”, hoy Yves ao am-pitantarana.

 

                 “Aziatika sy karana no tena hitako maro be tao amin’ireo olona ireo” hoy Yves. 

----------

          Niala teo izahay dia hoy Jesosy mantsy ahy hoe “entiko hitazana etsy amin’iry varavarankely iry ianao dia hahita zavatra”  Nanantona ilay varavarankely izahay.  Nisy efitra lehibe izay toerana fivorian’ny devoly. Nivory mihitsy ry zareo tamin’io fotoana io  Manana sefo ry zareo. Tena ratsy tarehy be mihitsy io sefony io (mena maso be, misy tandroka anankiroa, ary misy takelaka boribory eo amin’ny tratrany). Izy no manome ny baiko an’ireto devoly marobe manatrika ny fivoriana.

 

             “Manomboka izao dia ataonareo izay hahazoanareo olona betsaka indrindra ho tonga aty amin’ny helo indrindra fa ireny zanak’Andriamanitra tsy ampy vavaka sady tsy miorina tsara ireny!!!!. Tsy te haheno intsony aho hoe tsy nahatondra an’ireny ianareo miverina aty !!!! fa tsy maintsy mitondra ianareo”, hoy Ilay sefon-dry zareo.

 

               Avy eo moa dia ny “disciple” iray nialaza hoe” ka ny olana ange, rehefa miteny JESOSY ry zareo dia tsy zakanay mihintsy fa mitsoaka izahay e!!!! Tezitra avy hatrany ilay sefo sady nandona latabatra mafy no nanao hoe “ tsy te aheno izany anarana izany tsony hoy aho izaho ato manomboka izao!!!” Noraisiny avy hatrany ilay sabatra teo ankavanany ary norasainy ilay “disciple” teo ka dia nizara roa. Nifandrombaka nihinana ny tsinainy avokoa ireo namany nivory teo. Tena maharikoriko,” hoy i Yves.

 

           “Maha te hitifitra totohondry ange ry reto zany e. Maharomotra ny mahita an-dry zareo manao fivoriana hanafiahana antsika olombelona. Tena maharikoriko be”, hoy Yves eo am-pitantarana. 

 

--------------

           “Tapitra izay ny aty amin’ny helo, hoy Jesosy, tamin’Yves, fa ho entiko ho any an-danitra amin’izay ianao.   “Ok” hoy Yves.

----------------------------------------

              Eo ankaviako mandrakariva Jesosy rehefa mandeha zahay.  

 

            Tonga nanoloana vavahady vy lehibe anankiray izahay. Volamena beuuu ! ary hoy Jesosy tamin’Yves “ mandrosoa ato @ fanjakan’Andriamanitra ianao ry Yves”

 

             “Tena mifanohitra be tamin’ilay tany @ helo satria rivotra malefaka, manitra mahafinaritra. Tena hafa e ! “, hoy Yves

 

           Nosokafan’i Jesosy ilay vavahady volamena. Vao niditra dia volamena ny làlana nitsahina. Voninkazo havia sy havanana no hita sady tsara tarehy be.  “Jereo, hoy Jesosy, fa tena mahafinaritra sady malalaka tsara ny aty. Tena mbola malalaka be”. 

 

         Marihina, hoy Yves, fa teny naverimberin’i Jesosy taminy hatrany ny teny hoe “tena mbola malalaka” isaky ny mandalo toerana iray.

-        “Hitanao hoy Izy, iry trano iry ?”

-        “Eny”, hoy Yves

-        “Io no atao hoe “palais de louange”. Rehefa misy olona iray miova fo ka manolon-tena marina ho an’Andriamanitra any an-tany any dia misy fiderana be ataon’ny anjely ao amin’io toerana io”.

 

         « Niditra tao amin’io “palais” io izahay », hoy Yves. Misy zava-maneno maro be ilay toerana ary vita amin’ny volamena avokoa ireo zava-maneno ireo.

 

         Dia hoy Jesosy tamin’Yves avy teo : “Dia hitanao fa tsy mbola misy fiderana aloha ao zao, hoy Jesosy mantsy an’i Yves, satria mbola tsy misy miova fo amin’izao fotoana handalovanao eto izao”

 

         “Tena gravy izany ho’aho”, hoy Yves : “Tany amin’ny helo, mirotsaka ohatra ny “jackpot” ny olona, Kanefa aty an-danitra toa mangina be…! Mbola vitsy ny olona miova fo marina ho an’Andriamanitra. Mamparinkoditra!”, hoy ihany izy.

 

           “Isaky ny mandroso izahay (Yves sy Jesosy) dia tsara tarehy avokoa zay jerena rehetra. Nandalo lohasaha iray izahay ary vatosoa no mameno ny lalana hitsahinay.

-        “Ho entiko ao an-tranon’ny Ray ianao ry Yves” hoy Jesosy

-        “Taitra be aho hoe ho ao an-tranon’I Ray Masina?”, hoy ihany Yves. “Nitantana ahy Jesosy, rehefa hiditra ho amin’io trano io izahay”. 

 

             Nahatsapa ho nanao akanjo fotsy mirebareba Yves rehefa niditra tao amin’io Fitoerana Masina io ary nisy satro-boninahitra (couronne) volamena iray nipetraka teo ambony lohany.

“Volamena be ilay seza fihandrianan’i Ray. Eo ambony “estrade” no misy an’io seza io ary nipetraka teo ambonin’io seza io Andriamanitra Ray. Manjelatra be ny lohany. Tsy hay nojerena izany fa ny tongony no hitako ary nanao akanjo fotsy lava be Izy”, hoy Yves.

 

             “Malalaka be io “trano” io ary ny ankavanan’izany seza nisy ny Ray Masina izany dia nisy seza iray volamena izay tsy nisy an’iza n’iza. Mazava ho azy, satria Jesosy mbola miaraka amiko manao “visite””, hoy Yves nanohy ny fitantarana.

 

           “Inona Jesosy, hoy Yves, no ataon’ireo olona manoloana ny seza fiandrianan’Andriamanitra Ray ireo ? Toa miankohoka miaraka amin’ny anjely?”.

 

         “Ireo, hoy Jesosy, dia miankohoka eo anatrehan’i Ray ary manome voninahitra Azy,  ary ny anjely no hirahina ety amin’ny zanak’Andriamanitra, en cas de besoin”.   “Vita izay dia nahatazana tanàna tsara tarehy izahay. Tena tsara tarehy zany toerana izany!”, hoy ihany Yves.

 

        Dia hoy ny Tompo taminy: “tsy mbola ho any isika ry Yves anio, fa aleo amin’ny manaraka ianao ho entiko any indray, raha mbola vonona”.

 

          “Izaho amin’io tena liana be hoe inona indray ary io tanàna io. Sady misopirana sy mitsikilo any ihany ny masoko”.              

 

        “Nihaniala ilay akanjo fotsy nanaovako rehefa avy nitsidika ilay fiandriananan’ny Ray izahay”.  Dia hoy Jesosy tamin’i Yves avy eo: “Averiko ho any an-tany ianao ry Yves rehefa vita ny resaka farany tiako holazaina anao”  “Ok, hoy aho sady nilaza an’eritreritra aho hoe “Hay, d’efa tsy mijanona aty zany ialahy RaYves, fa mbola hiverina ialahy “

 

         “Somary niady varotra kely tamin’i Jesosy aho, hoy Yves, ny amin’ny hoe “maninona moa raha ho entiko any an-tany ity “couronne” ity Jesosy mba ho hitan-dry zalahy hoe taty an-danitra marina aho”.  Dia nihomehy kely Jesosy sady niteny hoe “tsy mila manaporofo izany ianao ry Yves fa lazao fotsiny ny hafatra sy ny lesona rehetra hitanao tamin’ny fitsidihana rehetra niarahako taminao”. Dia nanohy ny teniny Izy ka nanao t@ Yves hoe : “tsy mila manaporofo izany na amin’iza na amin’iza ianao hoe noentiko taty, satria ny voninahitro dia ho asehoko eo @ny fiainanao manontolo!!!”  “Eny ary”, hoy Yves tamin’i Jesosy

-------------

               Dia niresaka tamin’izay Yves sy Jesosy :

“Tadidinao ve ry Yves ny lesona rehetra hitanao taty”

 

             “Eny” hoy Yves, sady nanambara ireto teboka manaraka ireto teo anatrehan’i Jesosy izy :

 

1- Rehefa misy olona mitory ny Aminao sy ny filazantsara dia tsy azo atao ny mihanihany na manamaivana izany

 

2- Tandremana tsara sao lasa fombafomba sy fahazarana fotsiny ny mivavaka. Tena ampiharina @ fiainana izany. Ary atao vaidohan-draharaha mihitsy na dia @ zavatra kely aza. Tsy maintsy misaina ny amin’ny aty ambony (an-danitra) amin’izay fa tsy ny any an-tany ihany. Tsy tokony ho variana @ fiainana andavan’andro be loatra.

 

3- Mila mitandrina tsara ny @ teny na fihetsika atao amin’ny olona (na iza na iza) fa sao miteraka ratra-po ho azy izany. 

 

4- Tandremana ny fihetsika, fomba fiakanjo, fitondran-tena sao miteraka fakam-panahy hitondra any amin’ny fitsiriritana sy fijangajangana ho an’ny hafa izay mitazana. Fadio ny hanana ny fanahin’ny fijejojejoana, izay fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra

 

5-  Zava-dehibe ny mifampitondra am-bavaka. Rehefa mivavaka ka misy anaran’olona manindry ny fo mandritra izany, dia tonony ny anaran’io olona io ary angataho amin’i Tompo mba ho rakofan’ny Ràny Masina izy, ho fiarovana azy. Dia hoy Jesosy avy eo “misy teny hafa tiako lazaina anao koa ireto” 

 

6- « Ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mangataka toro-hevitra aty Amiko mihitsy mialohan’ny

hanaovana zavatra iray. Fa matetika, rehefa tsy mahita izay alehany intsony izy vao miantso Ahy na mangataka vonjy Amiko”. Manomboka izao dia mila manontany ny hevitro ianareo rehetra ny amin’ny tokony hanaovana zavatra iray ary mahazo vali-teny avy aty Amiko vao manatanteraka izany na tsia.

 

7- Rehefa mangataka zavatra Amiko ianareo dia ataovy “précis” tsara izay tianareo angatahina. Aza misalasala mihitsy ny amin’izany na resaka vola na fitaovana na zavatra hafa, na inona na inona.

 

8- “Torio amin’ny olona rehetra ny Amiko, sy ity fitsidihana nataontsika taty ity:

• Eo amin’ny ankohonanao

• Eo amin’ny namanao

• Eo amin’ny fiaraha-monina misy anao (an-tanàna, any am-piasana ets…)

• Eo amin’ny firenena (Madagasikara) izay misy anao.

 

9- “Hisy firenena iray hofoanako tsy ho eo ambonin’ny tany intsony (rayé de la carte) satria tena mipàka aty amiko loatra ny faharatsin’io firenena io Ahy :

• “Dia ohatra an’ilay tany Japon ve zany, Jesosy ?, hoy Yves. “Tena efa nahery be ange

ny horohoron-tany sy ilay “tsunami” niseho tany iny e!”.

• “Ie, marina izany tenenin’i Yves izany fa izao, tena mbola mihoatra lavitra noho iny no

hahazo an’io firenena iray io satria hofoanako tsy hisy intsony izy”.

 

10- “Dia jereo ange ny ao Europe ao ry Yves, hoy indray Jesosy avy eo. Tena lalaovin’ny devoly mihitsy ny fotoanan-dry zareo ao, mba tsy hisy irika hahafahan’ireo olona ireo hanompo Ahy. Kanefa endrika fanompoan-tsampy amin’ny fomba moderna izany, izay tena halako mihitsy”.

 

11- “Ilazao ny olona rehetra any ary miambena hono hoe fa efa akaiky ny fiverenako”, hoy Jesosy nanohy ny teniny:

• “Afaka lazainao ahy ve Jesosy hoe rahoviana marina ianao no ho tonga any?”

• Sady nihomehy Izy no niteny hoe “tsy afaka hilaza izany aminao Aho satria ny Raiko

ihany no mahalala izany fa ilazao fotsiny ny olona rehetra hiambina sy hiomana fa efa

akaiky ny fotoana hiaviako.”

 

 

     

           “Rehefa vita izay zavatra rehatra izay dia nanontany ahy Jesosy” hoy Yves “ Vonona ve ianao ry Yves ny hiova @ireo toetra ratsinao sy fomba ratsinao teo aloha ireo? “ 

“Eny” hoy Yves “ary dia tafandoalika teo anoloan’I Jesosy aho. Vita izay rehetra izay dia noraisin’i Jesosy ny takolak’Yves ary dia hoy Izy taminy “Raiso ny Fanahy Masina ary izany Fanahy Masina izany no hanadio anao tanteraka toy ny ranonoram-panàla ary tsy hisy pentina akory na dia iray aza” dia notsofiny Yves avy eo!

“Nahatsapa zavatra nipoapoaka be tato anatin’ny vatako rehetra aho”, hoy Yves, “ary tena nahatsapa fiadanana be avy teo, rehefa iny avy notsofiny iny!!!”.

Vita izay dia hoy indray Jesosy t@ Yves : “Vonona tsara Yves hitondra ny hafatro sy @ asako?” Dia namely Yves ka nanao hoe “Eny Jesosy vonona aho!!!

Vita izay rehetra izay dia hoy indray Jesosy taminy “ Ary ankehitriny dia hosorako ianao. Raiso ny

herin’Andriamanitra. Ary izao tontolo izao dia hitapim-bava ny @ fiainanao satria ianao dia ho comblé-ko ny gloire-ko ny fiainanao! “. Dia notsofiny fanindroany indray aho avy eo, hoy ihany Yves, ary nahatsapa avy hatrany aho fa nisy courant be nanenika ny vatako!”.

Dia tafaverina tety an-tany Yves taorian’io.

-------------------------------------------------

=> Aza variana amin’izao fiainana izao intsony ary aza manao kitoatoa ny fifandraisanao

amin’Andriamanitra;

 

=> Saino ny any an-danitra ary atolory ho an’Andriamanitra ny fiainanao sy ny aminao rehetra. Ianao IRERY no erany ary tandremo sao tara fa tsy afaka manao na inona na inona aminao intsony Jesosy amin’izay fotoana izay.

 

=> Ampiasao ny anaran’i JESOSY fa tsy mahavita na inona na inona eo aminao ny devoly rehefa mampiasa izany “fiadiana” Mahery izany ianao.

 

=> Zarao amin’ny olona (na fantatrao na tsy fantatrao) ity hafatra ity fa izany no sitrapon’Andriamanitra.

 

           Ho faly Jesosy ny amin’izany fihetsikao izany ary hotahiany amin’izay hataonao rehetra ianao satria nahatanteraka ny “mission” nampanaoviny anao ianao.

 

           Ny Fanahy Masina anie hirotsaka aminao ary hanome anao hery vaovao ho amin’ny fanovànao ny

fiainanao tsara kokoa noho ny teo aloha, mba ho sitrak’Andriamanitra TOKOA ny aminao manontolo.

 

                 Mahereza ary samy ho tahian’i Tompo isika rehetra.

 -----------------------------------

Landy R.

Mpino iray nanatrika sy naheno io fijoroana vavolombelona io izay natao tamin’ny alahady 27 marsa 2011 lasa teo.

** Marihina fa nisy hafatra manokana nolazain’i Jesosy tamin’Yves ho an’ny fiangonanay saingy niniana tsy nosoratana teto amin’ity lahatsoratra ity izany.

 

 



29/04/2012
1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres