Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Antsan'i Kristy - Tena hafa ihany

Tena hafa ihany ny miaraka amin'ny Ray 
Mahita fiadanam-po mandrakizay
Fa na anaty ady sarotra sy olana mahamay
Ny tanàny mahery ampy hiaro anao  

 

Raha tena mino Azy ianao 
Mametraka Azy ambony amin'izay atao
Manolotra Azy haja ambony sy voninahitra
Tsy manompo tompo hafa koa 
Jesosy irery no ao ampo 
Izy rery tsy hamitaka anao
O!ampy ho anao ny fahasoavana avy aminy 
Ampy zarainy ho anao sy ho ahy e!

 

     Jesosy o! tiako loatra Ianao 
     Tena foiko ho Anao 
     Ity foko babo, babonao

     Babonao aho amin'izao

     Jesosy o! tiako laotra mandrakizay 
     Tena foiko ho Anao

     Ity foko babo, babonao
     Babonao aho amin'izao



28/07/2012
1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres