Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Dayvide - Mitomany mafy

Inty aho!
Tonga aho hitaraina
Hitady mafy  ny indrafonao
Tsy sahy hitraka hitanao
Maloto eny menatra Anao
Jesosy ity loto noho ny ota
Iantrao raha azonao atao
Toa andevo miosompotaka
Efa resy tena resy ieee

Mitomany mafy eto Aminao aho
Triariko ny foko hitalaho
Mandrenesa Tompo ny feoko mitalaho
Aoka re Jesosy aza variana amin’ ny lasa
Diovy amin ny rànao aho

Lazao ireo tsy manantena  ahita ny fahasoavanao
Jehovah ô !
Eto an tany ve no lavo 
Tsy angamba tena ho very eny amin'ny helo aho
Indro aho zao manatitra ny saotra anao
Ny amiko rehetra Jesosy ampelatananao
Te hihiaka mafy aho hidera Anao 
Triariko ny foko mankalaza Anao 
Mandrenesa Tompo ny feoko 
Manandratra Anao

Te hihiaka mafy aho hidera Anao 
Triariko ny foko mba hankalaza  
Mandrenesa Tompo ny feoko 
Manandratra Anao

Te hihiaka mafy aho hidera Anao 
Triariko ny foko mankalaza anao 
Mandrenesa Tompo ny feoko 
Manandratra Anao

Misandrata tompo ô!

Misandrata



04/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres