Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: GMMC - Manana anao

Na ranomaso aza indraindray
Toa tsy ampy hamafa izay nahazo ahy
Toa resin'ny fiainana ka leo 
Satria lavitra Anao

Izay mba nandrandraiko ho ahy
Nofy mielina tsy ho azoko
Na dia nanao izay azo atao 
Tsinontsinona aho fa tsy eo Ianao

Teo aho vao tonga saina hoe
Hay tsy miankina Aminao
Fa nalahelo aho tsy araka izay
Nantenaiko no nitranga ho ahy
'Zay aho vao tonga saina
Fa ianao mahalala izay mety ho ahy

Dia nitalaho aho tamin'izay
Izay mba fifaliako sy izay rehetra tiako
Aza simbaina intsony
Ireo no sisa ananako

Ny olona nataoko ho tia ahy
Nanadino ahy mora foana
Na dia nanao izay ho afako aho
Toa vao maika mankarary ahy

'Zay vao nahatakatra aho fa
Hay izaho lavitra Anao
Fa nalahelo aho tamin'izay 
Hoe nahoana izao no mahazo ahy
'Zay aho vao tonga saina
Hay aho tsy miankina Aminao

Izao aho fa manana Anao
Ho reharehako sy andriko
Raha sendra lavo aho dia tohananao
Efa manana Anao aho

Tsy ho kivy,tsy hitomany intsony aho
F'ianao efa nilaza fa tsy avelanao ho very aho 
Satria aho tianao
Manana Anao ho ahy rahatrizay



02/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres