Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Mila Anao

Oviana ny farany irery tato antrano dia nihira ho Anao

Hoe mba niala fomba fanao ka nitady Anao

Ny farany namaky Baiboly, tsy hoe nitady tononkira akory

Matin'ny hanoanana noho ny Aminao, maniry ny ho fahafananao

 

Mila Anao aho

Mila Anao aho Jesosy

Lasa aiza ny hetahetan'ny fo 

Fony izaho vao nahalala Anao

Mila Anao aho

Mila Anao aho Jesosy 

Avia dia kasiho aho

Vangivangio fa maniry hanakaiky Anao

 

Oviana ny farany nitondra am-bavaka notarihinao aho

Na nitomant fa tsy mbola tsy voavonjy ihany ny havako

Ny farany niaiky fahotana na namela na nahazo famelana

Oviana no farany hoe velona tao am-po tao ny fitiavanao

 

Mahatsiaro very ny fo tafasaraka

Irery tompon-tsafidy hoy aho

Nefa dia raraka e

Tsy izany hoy aho no ilaiko e

Tsy very maina ny nanoloranao aina

Hamonjena sady azo omena n'iza n'iza n'aiza n'aiza

Tsy takatry ny saiko



05/05/2014
1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres