Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Revelation gospel - Fa raha mino ianao

Misy adin-tsaina ve ianao

Na olana tsy hay atao

Indro ny Tompo miteny anao

Fa Izaho dia tsy mandao

Fa ho eo anilanao

 

Fa raha mino ianao

Tena mino ianao

Dia ho tonga aminao

Ny fahasoavany izay tsy mety ho lany

 

Koa atsaharo ny alahelo

Mikiky anao isan’andro

Indro fafao ny ranomaso

Fa mandalo anie izano

Ho mpandresy anie ianao

 

Fa raha mino ianao

Tena mino ianao

Dia ho tonga aminao

Ny fahasoavany izay tsy mety ho lany

 

Ataovy azo antoka ny fanahinao sy ny fonao eo Aminy

Ka aleo ho hitanao: ny tanany tsy fohy fa mahavonjy anao

 

 Fa raha mino ianao…

Fa raha mino ianao

Tena mino ianao

Dia ho tonga aminao

Ny fahasoavany izay tsy mety ho lany



02/08/2013
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres