Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Maranatha

Izay andro izay

Izay no andrasako

Hiverina ny Mpamonjiko

Ho hitako Izy hanatrika ahy

Ny sandriny no hatsampiny ahy

Ary ho entiny amin'izay toerany aho

 

   Hatramin'izay

   Dia sombintsombiny

   Sombiny ihany no fantatro

   Fa amin'izay, hambarany ahy

   Ny zava-miafin'ny fanahy

   Honina eo anilany aho

 

Fiv: Ny fanantenako e!

      Tsy ho levona!

      Jesosiko iny e, tsy hamitaka ahy

      Indro efa akaiky ny andro izay hamonjeny ahy

      Avia Jesosy ô! MARANATHA

 

He! ny hafalian'ny ho ampiakarina

Rehefa injao ny mpampakatra

Tontolo tsy fahita ery

Izay jeren'ny maso, vaovao ery

Lasa tokoa ny zavatra taloha

 

   Ka ny fonenan'Andriamanitra

   No indro voalohany hitoerako

   Hifankahita amin'ny havako 

   Izay maty taloha fa voavonjy koa

   Hiara hitoetra amin'ilay Tompo soa

 



07/02/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres