Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Alaiko ny herinao

Efa zatra miafina aho

Zatra mitomany

Ny mason'ny olona

Toa antsy vao nasaina

Nefa reko hoe ho eto Ianao androany

Hitsangana aho

Haelan'ny nijaliana aza ny ahy

 

Fiv:Fa fantatro 

     Fa raha afaka mikasika

     Na ny lambanao fotsiny aza aho

     Alaiko ny herinao, alaiko ny herinao

     Hanasitrana ahy

     oh oh oh

     Fantatro

     Fa na ao anaty olona ao aza

     Izay hikasika ao

     Ho sitraninao

     Alaiko ny herinao, alaiko ny herinao

     Hanasitrana ahy

 

N'inona n'inona izaho

Tsy maintsy handeha ho any

Ny tanako no hitsapako ny herinao

Na tsy avelan'ny olona

Hataoko aza izany

Androko anio, 

Zoko ny ho velona indray

 



19/02/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres