Tononkira: Rija Rasolondraibe - Triaro
Anaty aizina, famoizam-po,
Na firenena na olona mikipy avokoa
Misy hira, lalana mialoha
Mandra-pitritra ny lanitra mivoha
Eo mazava e, azo an-tsaina e
Fanantenana e no iarahana e hiraina e
Triaro, vohay ny lanitrao
Raha azo atao, mba piho any ny sinton'ny tany
Anidinanay
Ihaona aminao any
Koropao eto androany
Jesosy o
Triaro vohay ny lanitrao
Dia mba manao hoe: "oh oh oh oh oh..."
Heno izahay, maminavina
Fa efa injay ny nofinofinay
Anaty tabataba injay lay feonay
Hira manavatsava ny tananay
Aza adino eny, vahokanao
Izay mampaneno lakolosy izao e
"Oh oh oh ..."
Triaro, vohay ny lanitrao
Raha azo atao, mba piho any ny sinton'ny tany
Anidinanay
Ihaona aminao any
Koropao eto androany
Jesosy o
Triaro vohay ny lanitrao
Ndao hiara hihira hoe: "oh oh oh oh oh..."
Malakia
Jesosy o, faingana e faingana e
Malakia
Jesosy o, faingana e faingana e
Triaro, vohay ny lanitrao
Raha azo atao, mba piho any ny sinton'ny tany
Anidinanay
Ihaona aminao any
Koropao eto androany
Jesosy o
Triaro vohay ny lanitrao
Ndao hiara hihira hoe: "oh oh oh oh oh..."
A découvrir aussi
- Tononkira: Jocelyn Ranjarison - Tompo ô mamiko Ianao
- Tononkira: Jocelyn Ranjarison - Ampy ahy
- Paroles : Tabitha Lemaire - Viens à moi
Inscrivez-vous au blog
Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour
Rejoignez les 58 autres membres