Tononkira: Rija Rasolondraibe - Fa masina
Avo dia avo ny fiandriananao
Antananao izao tontolo izao
Afo mandoro ny masonao mijery
Ambonin'ny izay mety ho hery Ianao
Fa masina Ianao
Masina Ianao
Voninahitra no lapanao
Fa masina Ianao
Masina Ianao
Voninahitra no lapanao
Andriamanitra Ianao ka ivavahana
Antananao ny fanapahana
Ny tavanao no tena fahazavana
Fiainana sy famelana Ianao
Manakoako izao ny ao andanitra ao
Mihira ny voninahitrao
Ny mahery rehetra miaiky ny herinao
Fa Tompo sy Mpanjaka Ianao
A découvrir aussi
- Tononkira: Rija Rasolondraibe - Mandohalika
- Tononkira: Jocelyn Ranjarison - Ianao no ankalazaina
- Tononkira: Jocelyn Ranjarison - Misandràta indray
Retour aux articles de la catégorie Paroles de chansons/ Tononkira -
⨯
Inscrivez-vous au blog
Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour
Rejoignez les 58 autres membres