Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Fiadanana anie

Hahatsiaro anao isan'andro anie aho 

Rehefa mihaona amin'ny Ray

Mba ho ampy ho anao ny fony

Hahay ampitony

Na aiza na aiza misy anao

Dia ho vavolombelon'ny heriny

Hizarazara hery vaovao

Dia ho fanasin'ny tany

Hitondra ny hazavany ianao

Hanerana izao tontolo izao

Tontolo izao

 

Fiadanana anie ho aminao

Ho feno ny fanahy

Hijoro ho sahy

Fiadanana anie ho herinao

Homba anao amin'izay atao

 

Ilay lalana sy fahamarinana anie

Hitombo isan'andro ao am-ponao

Ho an'ireo tsy mahalala

Ireo misalasala hiova hevitra noho ianao

Dia ny fahazavanao no heriko

Ny fivavako ho antoky ny fonao

Dia mba ho samy tafita

Samy ho vonona isika

Amin'ny andro hiverenany indray

Amin'izay

 



17/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres