Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Any an-danitra any

Any an-danitra any, any misy fiainana

Ny mino, any no mbola hody, fa tsy maintsy tody e!

Ny aty dia mandalo ihany sy miserana

Jesosy anefa mikarakara ny toerana

 

Any an-danitra any, any misy fiainana

Any ny mino no mbola hody, fa tsy maintsy tody e

Ny aty dia mandalo ihany sy miserana

Jesosy anefa mikarakara ny toerana

 

Fiv: Jesosy o! Jesosy a!

      Tsy misy atakaloko Anao

      Lalaiko Ianao e 

      Ety an-tany, hatrany an-danitra any e

      (x2)

 

Any an-danitra any, izay tonga ihany no arabaina

Fa manana tombon-tsoa ny velon'aina

Mietsiketsika vao manorina ny any ankoatra

Jesosy, any, anie efa mikarakara, efa manamboatra e!

 

Any an-danitra, izay tonga ihany no arabaina

Fa manana tombon-tsoa ny velon'aina e

Mietsiketsika vao manorina ny any ankoatra

Jesosy, any, anie efa mikarakara, efa manamboatra e!

 

Fiv: Jesosy o! Jesosy a!

      Tsy misy atakaloko Anao

      Lalaiko Ianao e 

      Ety an-tany, hatrany an-danitra any e

      (x2)

 

Tsy hangorohoro ny fonareo e

Ianareo mahalala ny feoko

Tsy hangorohoro ny fonareo e

Fantatrareo izay alehako e

 

Aza manahy hoy Aho

Aza manahy

Ho avy haka anareo Aho

Izay hisy Ahy (x2)

Any koa no hisy anareo

 

Any an-danitra any, izay tonga ihany no arabaina

Fa manana tombon-tsoa ny velon'aina

Mietsiketsika vao manorina ny any ankoatra

Jesosy, any, anie efa mikarakara, efa manamboatra e!

 

Fiv: Jesosy o! Jesosy a!

      Tsy misy atakaloko Anao

      Lalaiko Ianao e 

      Ety an-tany, hatrany an-danitra any e

      (x2)

 




06/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres