Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Mandehana

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra

Izao tontolo izao, izao tontolo izao

Nomeny ny zanany lahitokana

Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy

 

Ny hitiavan'ny Raiko ahy

Satria aho nanolotra ny aiko

Toy ny nitiavany ahy

No indro hitiavako anareo

Tsy ny sitrapoko no atao

Fa ny sitrak'ilay naniraka ahy

Toy ny nanirahany ahy

No indro hanirahako anareo

 

Mandehana ataovy mpianatra

Izao tontolo izao, izao tontolo izao

Manao batisa azy amin'ny anarako

Ary mampianatra azy hitandrina ny didiko

Mifankatiava

Toy ny nitiavako anareo

Mifankatiava

Mifakantiava

Toy ny nitiavako anareo

 

Ny hitiavan'ny Raiko ahy

Satria aho nanolotena ho Azy

Toy ny efa nataon'ny Tompo 

Inty aho hiasa sy hanompo

Tsy ny sitrapoko no ataoko

Fa ny teny no hitantana ahy

Toy ny nanajany ny Rainy

No indro anaovako izay lazainy



19/10/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres