Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Novanginao

Novanginao ny fanahy

Ka feno aim-baovao

Izay rehetra momba ahy dia Anao

Lasa tany masina ny fo

Feno, ka ny fo: vato velona, velona tokoa

 

Akaiky ny fonao Jesoa no tiako

Ny fanjakanao no anton'ny fisiako

Soa nataonao

Ampy ho ahy ny Ray

Ianao ao ampoko ao Jesoa

Dia ampy izay

 

Nofenoinao ny fanahy 

Fa ranon'aina Ianao

Ranon'aina avy andanitra ao

Afaka hetaheta ny fo

Feno, ka ny fo: ranovelona, velona tokoa

 



13/10/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres