Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Ianao no antenaiko

Tsy voantsindry fa mijoro

Nefa rotika torotoro

Mandefitra ny rojon'aina

Efa tsisy herin-tsaina

Mitaraina mitoloko

Ampiseho anao ny foko

Jesoa malala o

Ianao mahalala

 

Fantatro fa ny anao tsy miova ny fitia

Efa niainako ny fitantananao

Ny maso sy ny fonao dia momba ahy foana ety

Mbola fanantenanako foana ianao

 

Ianao no antenaiko ny andro ny fahareseko

Hanavotra ny aiko amin'ny andron'ny fahalemeko

Fa ny fanatrehanao, ireo dina nataonao

Antoka  ho ahy anjara lahatra ho ahy

 

Amin'ny hery hitokiana

Amin'ny andron'ny fahoriana

Ianao no hitoerana

Tompon'ny fiheverana

Ny tananao no antenaiko

Ny tari-dalanao no ilaiko

Ho fiainam-baovao

Ny ampitsoko imasonao

 

 

 



19/10/2012
1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres