Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Indro aho hiverina

Indro aho hiverina eo an-tongotrao

Jesosy o tsisy afa-tsy izaho sy Ianao

Ny hira sy ny dihy tsy ampy satria

Fiainana ifampierana no tena fiderana

Eo no anatonako iankohofako Anao

Hisoronako, hiderako Anao

Fa solon-java-manitra manatitrantitra

Ataoko fanatitra

 

Vita ny fety sy fihiram-baovao

Dihy fiderana, nisandratra Ianao

Ny jiro efa nopihina, aizina ny tontolo

Ny mpino efa nangina efa lasa daholo

 

Feno hafanana ny fanatrehanao

Anivon'ny fiderana, hiverina indray aho

Iza no sahy hilaza fa manome izay sahaza

Hitanao ny fo namaly ny antso tokoa



23/05/2014
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres