Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Nightingales Teenagers Choir (NTC) - Tia Anao aho

Jesoa ambarako Aminao anio izao

Fa hatramin'izay ka hatramin'izao

Tsy mbola nahita toa Anao

Nitia ahy, tahaka Anao

Na dia tsy mendrika aza aho

Dia noraisinao, notiavinao (tsy mendrika)

 

Jesoa ambarako aminao anio izao

Fa ny fitiavako rehetra

Omeko Anao tsy misy fetra

Dia ataoko ho hirako

Ho kaloiko am-bavako

Ilay fitiavanao

Miredareda ao am-po

 

Tia anao aho (x4)

Anio no ambarako fa Ianao 

Fitiavako

Tia anao aho (x4)

Mihoatra izao rehetra izao

Tia anao aho

 

 



19/05/2012
1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres