Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Itaro ny valako

Tsisy fetra tsisy fetra tsisy fetra

Ny Andriamanitray mahay manao ny zava-drehetra

Mitomoera mamoa voa tsara

Tsy mianjera

Sady tsy tara ny tarigetra

 

Itaro hoy aho ny valako e

Izaho kely fa ny Andriamanitro ngeza be

Ny tsy mandroso no halako e

Izaho kely fa ny Andriamanitro ngeza be

Velaro ny faritra anjakako

Izaho kely fa ny Andriamanitro ngeza be

Ampiakaro hoy aho ny fahefako

Itaro hoy aho ny valako e

Zanak'Andriamanitra zanak'andriana

Eny e! Eny e!

Tsy mahafaty anay ho aho ny fitahiana

Eny e! Eny e!

Sady logos rhema teolojia

Eny e! Eny e!

Tsy mahafaty anay ny mahita fitia

Eny e! Eny e!

Zanaka tsy manao tsinontsinona

Tsy manao tsinontsinona e!

Aleo izaho ambinina fa tsy maninona e

Ambinina! Ambinina!

Andriamanitray tsy hita afenina

Amen a! Amen a!

Ny Andriamanitray tsy hita fesifesenina

Amen a! Amen a!

Itaro hoy aho ny valako e...

Tsisy fetra...

Itaro hoy aho ny valako e...

Tena zanaka miasa fa tsy mitazana

Eny e! Eny e!

Ny ao an-danitra ao hoy aho no fahombiazana

Eny e! Eny e!

Mihetsiketsika ianao fa sao dia tara e

Eny e! Eny e!

Mihetsiketsika mamoa voa tsara

Eny e! Eny e!

Zanaka tsy manao tsinontsinona

Tsy manao tsinontsinona e!

Aleo izaho ambinina fa tsy maninona e

Ambinina! Ambinina!

Andriamanitray tsy hita afenina

Amen a! Amen a!

Ny Andriamanitray tsy hita fesifesenina

Amen a! Amen a!

 

Itaro hoy aho ny valako e...

 

Ny farany ho voalohany

Tsy farany fa ho lohany

Ho tahiana ianao raha mivoaka

Izay ataonao dia mipoaka

Ho tahiana ianao raha miditra

Raha mikendry dia mahatafiditra

An-tanàna, an-dàlana, eny an-tsaha

Ny tànany no manodidina ahy

Ny teniny tsy miala am-bavan'akà

Izaho tsy mandeha raha tsy amin'ny Fanahy

 

Itaro hoy aho ny valako...

 



26/04/2014
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres