Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Mbola aiza no anaovany azy

Mbola aiza no anaovany azy eh

Aiza no anaovany azy eh

Mbola aiza no anaovany azy eh

 

Tsy miova f’Izy, fitia

Fanjakana an-tànany

Fitiavana ho doria

No hiandrihanany

 

Ndreto izahay

Faly tokoa

Miray fo an-kira vaovao

Miandrandra Anao

Fanahy iray no hiderana

Ny hihiranay ny anaranao

Fa maminay Ianao

 

Ankalazao

Voninahitra anie

Hery sy haja

Ho an’Andriamanitray

Dera sy laza anie

Ho anao mandrakizay

 

Mbola aiza no anaovany azy eh

Aiza no anaovany azy eh

Mbola aiza no anaovany azy eh

Tsy miova Izy, fitia

Fanjakana an-tànany

Fitiavana ho doria

Iandrianany

 

Ianao fiandohana, fiafarana

Ray Tompon’ny fahefana

Tsisy ny toa Anao

Fanahy iray no hiderana

Hihirana ny anaranao

Asandratray Ianao

 

Mbola aiza no anaovany azy (x6)

 

Ilay Ray no ankalazanay

Derainay mandrakizay

Ilay Ray no ankalazanay

Ho Anao mandrakizay

 




17/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres