Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Gasikara

Gasikara no tany manankarena indrindra

Raha tena mitahy tokoa ny razana ao

Ny fanajana fitiava-kavana tsy afindra e

Efa lasa tsy afaka hiasa ho an'ny tanindrazana

 

Ambanin'ny fanahin'ny fahafatesana

Tsisy fitsaharana fa fanjakan'ny maizana

Any ampigadrana, fa fahantrahana, fitaka no ao 

Fa raha miala tao, ho zanaky ny mazava ianao Gasikarako

 

Aza ela hoy aho fa efa voasoratra e

Efa miandry ilay toerana, soridalana niheverana

Ny anjara lovanao, voninahitrao, ilay toeranao

Ho firavaky izao tontolo izao ianao Gasikarako

 

Mivoha ny vavahadin'ny fahamarinana

Raha mety ianao, andeha hiara hiditra ao

Manokatra lalana ho an'ny fahamasinanao

Handresy ny asan'ny maizina anie ny taranakao

 

Tsisy hery mandresy ny fanahin'ny fahafatesana

Tsisy hery hafa manala ny fanandevozana e

Fa an'I Jesosy irery ihany ny fahefana

Ety an-tany hatrany an-danitra any

Raha mety ianao mandrosoa mankao Gasikarako

 

Fa nomena fahendrena, tsy mena-mitaha amin'ny eran-tany

Olo-manga sy firenena e, namohazan'ny mpaminany

Misy toerana niheverana azy amin'izany rehetra izany

raha mety ianao mandrosoa manakao Gasikarako 

 



19/10/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres