Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Jocelyn Ranjarison - Tsy izay miseho anio

Tsy izay miseho anio, no hoe hamaritra

Fa mbola ho avy ilay maraina mahafinaritra

Voatokany izaho satria efa eo Aminy

Ho ahy sy ho anao tiany sady maminy

 

Fiv: Koa aza kivy ianao fa raiso re ny tanany

      Ny hoavinao rehetra anie efa eo Aminy

      Koa matokia, ario hatreo ireo tebitebinao

      Tsy maintsy ho tonga ilay maraina vaovao

 

Tsy izay miseho anio no hoe hitsara anao

Ka hamaritanao izay tsy maintsy ho hoavinao

Tsy taratry ny ampitso anie izay mitranga anio

Ny Tomponao no hifikiro mafy sy hitokio

 

 




1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres