Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Miredareda

Raha isehoan'i Jesosy ianao

Misy afo mandoro ao anatinao ao

Raha mila herinaina ny andronao sisa

Ho ataony batisa (x2)

Fa ny fanahy, ela no niandry anao e

Mba ho azony ampiasaina (x2)

Mijoro ao an-trano aho

Fa Jesosy izao

Mila herinaina (x3)

 

Hatramin'izay hoy aho ny foko e

Mirehitra miova loko e

Miredareda dia miredareda

Feno hery hilaza an'izany e

Hatrany am-paran'ny tany e

Miredareda dia miredareda

Mirehitra miredareda

Mirehitra miredareda

Jesosy nanao batisa ahy e

Mirehitra miredareda

Mirehitra miredareda

Amin'ny afo sy ny fanahy e

 

Raha isehoan'i Jesosy ianao

Izy no mari-pana sy tsapany aminao

Azy ny fanjakana 

Tonga ny fahagagana

Mafanafana (x2)

Mirehitra daholo izay rehetra lalovanao

Ny fonao ao anatin'ny afo

Ny afo ao anatin'ny fonao

Tsisy fisalasalana

Mijoro dia mandehana

Omeny fahefana (x3)

 

 



21/07/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres