Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Omeo solika

Tsy maintsy mirehitra mamaivay izahay e hitsena an'i Jesosy

(Mirehitra izahay e hitsena an'i Jesosy)

Tsy maintsy mirehitra mandrakizay izahay e hitsena an'i Jesosy

(Indreto izahay e hitsena an'i Jesosy)

Tairo aho fa sao dia tsy lasa

(Tairo aho, tairo aho)

Tairo aho fa sao dia tavela

(Sao tavela)

Sao malaina, sao maimaina

Tairo aho fa aza avela

 

Omeo solika aho

(Solika hirehitra mamaivay)

Omeo solika aho

(Solika hirehetako mandrakizay)

Hitsena an'i Jesosy

(Hitsena an'i Jesosy)

 

Izahay tsy maintsy vonona anio e hitsena an'i Jesosy

(Vonona anio e hitsena an'i Jesosy)

Izahay tsy maintsy miakanjo madio hitsena an'i Jesosy

(Akanjo madio e hitsena an'i Jesosy)

Solika no atao fitaiza

(Fitaiza)

Jiro no karakaraina

(Karakaraina)

Ny tsy lasa tsy laitra

Izay vao taitra

Vidio anio izay ilaina

 

Miambina samia miambina

Miambina samia miambina

(Sao mbola tavela e)

(Aza avela e)

(Aza malaina e)

(Sao maimaina e)

 

Feno ve sa tsy feno e? 

(Feno e, feno e)

Vonona ve sa tsy vonona?

(Vonona, vonona)

 

Andeha sa tsy andeha? 

(Andeha, andeha)

Mirehitra sa tsy mirehitra?

(Mirehitra, mirehitra)



23/05/2014
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres