Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Raha mbola velona

Nantsoinao ho zanakao aho

Natsanganao ho zandrinao

Fa mbola mpanota aho no efa

Nanolotra ny ainao ho ahy Ianao

Inona no ataoko Jesosy o?

Inona no avaliko Anao?

Tsy mbola nahita fitiavana lehibe toy izao

 

Raha mbola velona aho

Izao no faniriako hitsaoka Anao

Ny anton'ny fisiako hitsaoka Anao

Hitsaoka Anao Amin'ny androko rehetra

Hitsaoka Anao, Anao tsy misy fetra

Hitsaoka Anao

 

Havaozy hoy aho ny fomba fisainako e

Ho fonenana maminao

Mba ho omby Anao ny fiainako

Hanaovanao izay tianao atao

Mba ho tamana Ianao Jesosy o

Tsy ho teritery anie ny Fanahinao

Hitaro ny foko, hahakasika Anao ny finoako

 



26/04/2014
1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres