Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Dia ahoana ihany

Dia ahoana, dia ahoana ihany e!

Tsy kopy ka aleo mba manontany e

Izy ity moa tsy vitan'ny hanihany

Mamy ny aina hoy aho anefa mety ho lany

 

Maro no efa lasa any ampita

Dia raha lasa koa izany ianao dia izay no vita

Ianao moa milaza tsy mino izany

Hoe mandrakizay anie ny any ankoatra any e

 

Raha mbola misy ny fofon'aina

Tsisy hahamaika hanahiran-tsaina

Ajanon'ny Tompo ny fotoana

Izay vao tsy hita, atao ahoana?

Misy Zanahary izay nanao izao tontolo izao

Jesosy zanaky ny Ray, no hany hahavonjy anao

Asakasakao e

 

Sarobidy ny fanahy nomeny anao e

Izay no mbola tsy iverenany hatramin'izao e

Famindrampo nanomezany ny fotoana

Raha tsy mety moa ianao dia ataony ahoana

 

Raha mararirary aza ny aina e

Voaverin'ny fanahy avy amin'ny rainy

Mbola ianao ihany no tiany hisafidy

Fitiavana no iriny fa tsy adidy

 

 



06/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres