Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: GMMC - Ho avy aho

Tsy mahatsiaro aho indraindray

Fa misy fiainana ho ahy

Toa variana sondriana mitady izay

Heveriko fa mety hahasoa ahy

Nefa Ianao niandry ahy

Tsy hiandry ho resy

Vao hiantso Anao Jesoa

 

Inty ny saiko aho hatrizay

Ka potraka fa tsy mahay

Toa jambena amin’ny rendrarendra ho anay

Tsy mahalala izay mety ho sahaza ahy

Nefa Ianao tsy nandao

Tsy hiandry intsony aho

Vao ho any Aminao

Fa ho avy aho Jesoa

 

Tsy hiandry ela intsony aho

Vao hanatona Anao

Tsy handany fotoana

Fa izao dia ho avy aho ho Anao

Tsy hiandry ela intsony aho

Vao hanatona Anao

Tsy hiandry antso fanindroany aho

Fa izao dia ho avy aho ho Anao

Ka indro aho

Vonona ho Anao

Ka raiso aho ho zanakao

 

Ho avy aho ho Anao…

 

 



02/08/2013
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres