Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

15- Aoka ho feno hery ny afom-panahy

Ny « Vilany mahamay » dia tsy mba azon’ny vitsika, na lalitra na bibikely hafa antonina, fa ny « Vilany mangatsiaka na matimaty » no afaka itangoronan’ireo karazana bibikely tia sakafo !

 

Toy izany koa ny fiainana ara-panahintsika ao amin’Andriamanitra : raha mirehitra mandrakariva ny « Herin’ny afo ara-panahy » ao anatintsika, rava avokoa ary miala maina satana sy ny teti-dratsiny satria tsy misy azony atao ; Fa raha « mangatsiaka na matimaty ara-panahy » kosa izany dia mazava ho azy fa izy no manokatra varavarana misokatra ho amin’ny fanafihan’ilay ratsy !

 

Ny olona manana ary mandrehitra hatrany ny Afon’ny Fanahy Masina ao aminy izany dia voaaro ary afaka manohitra sy mandresy ny asan’ny devoly rehetra satria ny « Afo » dia tandindon’ny « FANAHY MASINA », ary ny « AFON’NY FANAHY MASINA DIA TSY ZAKAN’NY DEVOLY » !
Fehiny, toy izao ny tenin’Andriamanitra any amin’ny IIMpanj 1/10 :

“Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe : Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny!”

 

Partages Chrétiens via Facebook

 




12/06/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres