Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: GMMC - Matokia Azy

Izay rehetra ataoanao

Tolory Azy dieny izao

Ho vahany avokoa ny olanao

Ireo adin-tsainao

Hisinda sady handao

Matokia Azy ianao fa hainy atao

 

Ditranao hatrizay

Ialao fa ampy izay

Ho fafany avokoa raha mety ianao

Sorisory hatizay

Ho adino fa aza manahy

Matokia Azy ianao fa hainy atao

 

Fa Izy irery ihany no hanampy, hanampy anao

 

Ditranao hatrizay

Ialao fa ampy izay

Ho fafany avokoa raha mety ianao

Sorisory hatrizay

Ho adino fa aza manahy

Matokia Azy ianao fa hainy atao

 

Izy no mahay manala

Sorisory, adin-tsaina isan’andro

Izy no mahafantatra

Izay mahasoa sy izay mety mahatsara

Hainy avokoa izay

Ilainao sy tianao, lazainao

Fa Izy irery ihany no manampy anao

 

Matokia Azy ianao

Fa hainy atao izao rehetra rehetra izao



02/08/2013
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres