Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Ho anao ihany ny fiderana

Tsy hangina aho fa hidera anao hatrany

Eto anatrehanao

Ny foko manontolo sokafako

(Ny) momba ahy rehetra feno Anao

Miandrandra ny herinao hidina

Eto hameno ahy

Hihira aho aleloia

Sambatra aho: eto anatrehanao

 

Fiv:Ho Anao ihany ny fiderana

     Fa mendrika ny ankalazaina

     Mpanjakan'ny mpanjaka

     Velona mandrakizay

 

Ny tontoloko rehetra

Mangetaheta Anao

Ny herinao, ny kasikao, ny fahalebiazanao

Ka hidera aho, handihy ho Anao,

Hanandratra ny feoko

Satria nafahanao aho 

Ka tena afaka tokoa

 



19/02/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres