Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Asehoy ahy

Na ny tsy hita, na ny afenina aza fantatrao
Izay efa vita, ireo nenina sy izay mbola atao
Ny herinao tsy misy fetra tsy ho voafaritra antsaiko ao
Fa izay momba ahy rehetra efa voadinikao

Asehoy aho ahitako toe-panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza sao dia nandao tafasaraka aminao
Omeo fitsapana, omeo fisedrana mba hijoro ampo torotoro
Sao variana tratra aoriana tafasaraka aminao

Ampangino aho raha mitory izay tsy nolazainao
Sao hoe izaho indray no hita fa tsy Ianao
Mba tsy ho menatra aho raha ho avy ilay andro iray
Fa mba hianao no hampandroso an-tranon’ny Ray

Asehoy aho ahitako toe-panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza sao dia nandao tafasaraka aminao
Omeo fitsapana, omeo fisedrana mba hijoro ampo torotoro
Sao variana tratra aoriana tafasaraka aminao

Ampianaro aho hahalala
Aza avela Tompo malala o!
Ampianaro aho mba hanisa ny andro sisa

 

Asehoy aho ahitako toe-panahy sy ny fahotako
Aiza ho aiza sao dia nandao tafasaraka aminao
Omeo fitsapana, omeo fisedrana mba hijoro ampo torotoro
Sao variana tratra aoriana tafasaraka aminao



31/03/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres