Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Tarika Christophe Ratrema - Anao aho Tompo ô!

Anao aho Tompo ô! reko ny feonao

Izay mitory ny fitiavanao ahy

Nefa mila hatsangan'ny finoanao aho

Hanatonanako Anao

 

Fiv: Tompo ô! ataovy manakaiky Anao

      Sy ny hazo fijalianao aho

      Manakaiky izany lanivoana

      Mivoa-drà ka isaorako

 

Hafaliana manao ahoana izany ora iray

Manatrika ny seza fiandriananao?

Raha mandohalika hivavaka aho Tompo ô!

Hiresaka aminao sakaizako

 

   Atokano ny fiainako hanao ny asanao

   Amin-kery sy ny fahasoavanao

   Dia tohano ny fanahiko hibanjina amin-toky

   Ka izay sitrakao no sitrako!

 

 



07/02/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres