Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Afaka aho

Afaka aho, afaka aho

Afaka ny gadrako e!!!

Lasa olombaovao aho

Karazany hafa mihitsiny e!

Karazany hafa mihamahitsy anie aho e!

Voavonjy aho, voavonjy aho

Nariany hoy aho ny fahotako e!!!

Azoko ny lanitra

Asaramanitra

Lasa zanak'Andriamanitra aho e!

Tsy hiverin-dalana intsony aho e!

Fa ny fahasoavanao no nahatoa izao ahy

Tsy hitoditodika aho e

Sao lasa vaingan-tsira

Hanitsy aho hihira

 

Any amin'ny bokin'ny lanitra mihintsy e!

Any amin'ny bokin'ny lanitra mihintsy e!

No nosoratany

Nosoratany ny anarako

 

Afaka aho, afaka aho

Afaka ny gadrako

Lasa olombaovao aho

Karazany hafa mihitsiny e!

Karazany hafa mihamahitsy anie 

Mpandresy aho, mpandresy aho

Jesosy kely aho no tonga ety e

Na kely aza aho dia Kristy

Masoivohony aho no ety

Nasainy mahay mitia e

Tsy hiverin-dalana intsony aho e!

Fa ny fahasoavanao no nahatoa izao ahy

Tsy hitoditodika aho e

Sao lasa vaingan-tsira

Hanitsy aho hihira



16/02/2013
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres