Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Avelao

   Avelao, avelao

   Avelao hiakatra ny finoana e!
   Avelao

 

Izay mijery, onena mitalaho hoe:
Very hono ianao (x2)

Izao tontolo izao milaza tsotra izao hoe:

Tsy misy azo atao

 

   Eo amin'ilay sakantsakana e:

   Hanao lalana Izy e!

   Eo amin'ilay tsy azo aleha:

   Hanao lalana Izy e!

 

Fa rehefa resy izao tontolo izao

Izay vao manomboka ianao, manomboka ianao

Mbola tsisy itanao ve

Ilay tadiavinao e?

Foroniny ho anao e! (x2)

 

   Avelao, avelao

   Avelao hiakatra ny finoana e!

   Avelao

 

Ny tendrombohitra aza, afindrany e

Raha mino ianao (x2)

Dia izay sahaza ve tsy ho arindrany e?

Noho ny aminao

 

   Andriamanitra mandre:

   Hanao lalana Izy e!

   Ilay mpamatsy lehibe:

   Hanao lalana Izy e!

 

Mitabataba ry zareo

Fa tsy hitany izay atao:

"Aiza ny Andriamanitrareo" (x2)

Ny Andriamanitray e

Manjaka amin'izao rehetra izao 

Ao an-danitra ao e

Manao izay tiany hatao e!

 

   Avelao, avelao

   Avelao hiakatra ny finoana

   Avelao

 

Eo amin'ilay sakantsakana e:

Hanao lalana Izy e!

Eo amin'ilay tsisy azo aleha:

Hanao lalana Izy e!

Andriamanitra mandre:

Hanao lalana Izy e!

Ilay mpamatsy lehibe:

Hanao lalana Izy e!

 

Mitabataba ry zareo

Fa tsy hitany izay atao:

"Aiza ny Andriamanitrareo" (x2)

Ny Andriamanitray e

Manjaka amin'izao rehetra izao 

Ao an-danitra ao e

Manao izay tiany hatao e!

 

  Avelao, avelao,

  Avelao hiakatra ny finoana e

  Avelao

 







18/02/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres