Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Finoana marisika

Inty aho, tolory tanana aho

Toroy lalana aho

Izay alehanao no tiako aleha

Fa raha mandeha Ianao

Izaho koa mba handeha

Hoento lavitry ny fahazarana aho

Vohay varavarana aho

Raha tsy Ianao no mamoha, manahirana

Ilay tsisy mahakatona no tiako idirana

 

Fa raha nahita fitia teo Aminao aho

Ombay ny elatrao

Fa raha nahita fitia teo Aminao aho

Mba te hahita koa ny voninahitrao

 

Hafeno an-tsefaky ny harambato

Amin'ilay toerana akaiky Anao

Ho feno, hahita tsy miato 

Ny voninahitrao

 

Mba tahio 

Hahay hitondra ny fanahinao

Kasiho hahalala 

Ampio aho tsy hiala

Amin'ny fanatrehanao

Omeo fahendrena tsy hisisika e

Tsy hanao anganoangano

Omeo finoana marisika

Handeha ambony rano

 

Mitady Anao na andro na alina aho

Handroso eny amin'ny lalin-dalina aho

Handroso tsy hiato, arotsako ny arato

F'efa reko ny teninao

Fa raha tena Ianao Jesosy mba avelao

Avelao aho hanatona ho eny Aminao

Tsy hisy hahasakana ahy

Tsy hivoaka ny lakana

Raha miteny Ianao



25/04/2014
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres