Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Ho avy Izy

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalany

Ataovy mahitsy

Ny lalan-kalehany

Ny lohasaha ho totofana

Ary ny lohasaha ho totofana

Ny finoanao marivo salosana io

Any ampiangonana mino

Avy eo manadino ny hitsangananao

Fa ho avy Izy e

Ianao kristianina tsy ampy fahalalana Baiboly io

Avia mamakia, avia mahitsia

Mitsangana, miomana 

Fa ho avy Izy e

 

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalany

Ataovy mahitsy

Ny lalan-kalehany

Ny tendrombohitra dia hahetry

Ny tendrombohitra sy ireo havoana dia hahetry

 

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalany

Ataovy mahitsy

Ny lalan-kalehany

Ary ny meloka dia hahitsy

Ary ny meloka dia hahitsy

Ianao manao tsinontsinona ny Anarany io 

Fa toa hodianao adala anefa ianao mahalala 

Miovà ianao fa ho avy Izy e

Ianao kristianina tsy mitandrina ny didiny io

Ianao ilay zanaka adala, Izy no Ray malala

Miverena ianao fa ho avy Izy e

 

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalan'I Jehovah

Amboary ny lalany

Ataovy mahitsy

Ny lalan-kalehany

Ny mikotona ho hamarinina

Ny mikotona, ny mikototona ho hamarinina

 

 



19/10/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres