Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Ianao no heriko

Ampela-tananao manomboka izao

Ny heritreritro, ireo fihetsiko, sy ireo fomba fanao

Aza avelanao ho resy

Raha toa misesisey ireo fakam-panahy hanandratra ahy

 

Ianao no heriko raha mafy ny manjo ahy 

Fa famelana fahotana Ianao

Afaka ahiahy

Tsy fitsarana na fangejana fa fo onena

Hizara famonjena

 

Raha sendra ka mianjera aho ka trotraka ny dia

Lazao ahy fa Ianao tsy miova ny fitia

Amboary  anatiko ao 

Fitia vaovao tsy mety ho very fa mahery 

 

Ianao no heriko raha mafy ny manjo ahy 

Fa famelana fahotana Ianao

Afaka ahiahy

Tsy fitsarana na fangejana fa fo onena

Hizara famonjena


Omeko Anao

Ny fiainako sy izay momba ahy

Ny hatanorako, ny heriko, ny foko sy fanahy

Ekeko izao, tsy hanompo Tompo hafa aho satria

Tsy ho vaofafan'ny rà ny herin'ny fitia

 



19/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres