Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: The Singers of Jesus - Malalany

Nahafoy ny aina Ianao

Feno tomany lava izao

Ny fiainanao

Zary sento sy toreo

Ireo izay tinao

Nitsoaka nandao anao

Fa misy iray mijery anao

 

     Ho anao

     Izay mikatsaka

     Fiainana vaovao

     Raiso Jesoa miantso anao

     Fa Izy anie

     Efa nanolotra

     Ny fiadanany

     Ho anao ilay maminy

     Malalany

 

Ambarako anao

Jesoa ilay sakaiza soa

Nanolotra ny ainy

Itiavany ahy,ho anao

Ahy, ahy sy ho anao

Raiso ho anao

Izao hira izao

 

Raiso izy anio

Izy no nanambara hoe

Ny zanany, ny asan'ny tanàny

Dia samy ho adidiny

Ny fonao omeo hanjakany

Ho raisiny ianao

Ho zanany, malalany

Mandrakizay

 

Raiso izy anio

Fa lova tsara no efa miandry anao

Ny lanitra no ho fonenao

Hiadana ianao

Ka raiso Izy anio

Ny sisa rehetra hilamina

Ny antsony ekeo

Avelao izay tsy fanao

Fa mandondona

Eo ambaravaran'ny fonao Izy izao

 



04/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres