Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Rija Rasolondraibe - Andriamanitry ny voninahitra

Misandrata ry varavarana fahagola

Vohay ny vavahadin'ny vazantany

Ny avaratra ilazako hoe: avohay e!

Lazaiko amin'ny any atsimo: aza tazonina

Ambarako amin'ny fahefana

Tononiko amin'ny fanahy: MANDRENESA!

 

Ny andrefana ilazako hoe: avohay e!

Lazaiko amin'ny atsinanana: aza tazonina

Fa ho avy Ilay Mpanjaka

Tompon'ny fahefana

Tompon'ny fanjakana Izy e!

 

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

 

Misandrata ry varavarana fahagola

Vohay ny vavahadin'ny vazantany e!

An'Andriamanitra ny tany sy mponina ao e!

Tambonin'ny ranomasina nanaovany azy e!

Andeha isika hiakatra

Hiakatra hatrany an-tendrombohitra masina

 

Fa mendrika an'Andriamanitra ny fiderana e!

Fiderana tsara lavitra no mendrika Azy

Fa Izy ilay mpanjaka

Tompon'ny fahefana

Tompon'ny fanjakana Izy

 

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

 

Henoy (x3) ny filazako azy

Henoy ny filazako azy

Avy any an-danitra tonga tety an-tany

Tety an-tany nijoro vavolombelona

Vavolombelon'ny fahamarinana e

Fahamarinana nijaliana

Nijaliana amin'ny hazo fijaliana e!

 

Tany amin'ny fiainana tsy hita Izy e

Telo andro dia izay no vita

Nataony nahamay hoy aho ny fahafatesana

Nitsanganany hoy aho ny fasana e

Fahotako izay efa lasany e

 

Niakatra ho any an-danitra e

Ankavanan'Adriamanitra e

Vita ny famonjena

Azony ny fandresena

Velona mandrakizay Izy e

Ary mivavaka ho ahy Izy e!

 

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

 

Oh oh oh oh oh oh oh...

 

Izy ilay Mpanjaka (x4)

Andiamanitra mahery e!(x2)

Andrian'ny fiadana e (x2)

 

Izy ilay Mpanjaka (x4)

Andriamanitry ny fandresena (x2)

Andriamanitry ny fahendrena (x2)

 

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

Izy e! Jesosy no Izy e!

Ilay mpanjakan'ny voninahitra

 




01/04/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres