Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Tononkira: Voice For Light - Nofiko

Raha sendra nandalo toerana iray aho
Dia nahita izany fahazavana
Kanjo nisy zavatra niseho
Tampoka teo aho tsy naloa-peo

Nibaliaka ny manodidina ahy
Feno tontolon'ny hazavana
Avy eo aho nentin'ny Ray
Tany amin'ny fiainana mandrakizay

Ref
Tongasoa teo amin'ny vavahadin'ny lanitra aho
Tsy nanenenako ireo fanompoana Anao
Fa nitondra zava-tsoa teo amin'ny fiainako Ry Ray Tsitoha ireo

Ka dieny izao faingana ianao
Fa mbola misy toerana anjaranao
Aza variana mangatak'andro eo foana
Sao tara eo ka hanenina

F'Izy efa nitahy anao hatramin'izay
Ka tsy tokony ho kivy amin'izay atao
Ka ndana dieny izao f'Izy efa miandry anao
Efa hatry ny ela

Ref

Ka dia misaotra Anao
Noho ny halehiben'ny Fitiavanao
Fa raha tsy teo Ianao tsy toy izao izahay
Fa nentinao tany am-paradisa
Fiainana mandrakizay

Ref




08/06/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres