Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Lah 001: Fantatrao ve ny tena hevitry ny paska kristianina?

Toriteny, laharana 001:

 

Notorian’i:

  • Pasteur RANDRIANAIVORAVELONA Adolphe, Rhefi Androndrakely

Nangonin’i:

  • Professeur RASAMIMANANA François De Salle, Docteur en Physique, Faculté des Sciences à l'Université d’Antananarivo

Narindran’i:

  • Professeur RAZANAKOLONA Lala Rasoamialy-Soa, Faculté de Médecine d’Antananarivo
  • Melle RABEMANANTSOA Nialy Stéphanie, Jeunes Malgaches pour Jesus Christ

 

 

Matio 28/5 :  « Aza matahotra hianareo,fa fantatro fa Jesosy , Izay efa nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy. »

 

 

Vao avy nankalaza ny Paska 2012 isika vao vetivety izay. Zavatra tsapa sy hita anefa dia  maro amin’ny olona, maro amin’ny kristianina no tsy mahafantatra hoe mitondra inona ho azy izany Paska izany? Ny ankamaroan’ny olona dia azo lazaina fa fombafomba no ankalazainy ny paska. Hany ka maro amin’ny olona no mandray ny andro paska ho toy ny andro fety fotsiny na andron’ny fiala-tsasatra. Ny sasany aza dia mandray ny paska ho andro fety hanaovana sakafo be arahana toaka. Tena mampalahelo ny mieritreritra hoe tahaka izany no andraisan’ny olona maro ny paska rehefa tonga ny fotoana fankalazana azy.

 

Raha toy  izany ihany koa no  andraisanao ny Paska amin’izao 2012 izao dia tiako ny hilaza aminao fa hijanona ho andro fety fotsiny ihany ny andro  paska fa tsy hahita an’Andriamanitra hiasa ao amin’ny fiainanao izany ianao. Tsy hisy hiova na kely aza ny fiainanao fa ny teo ihany no teo na dia mandalo Paska aza ianao. Ny hahatongavan’ny ampitso no ela dia miverina tahaka ny teo aloha ihany ny fiainanao; tsy ilaozan-tsento. Averiko indray, fiainana tsy miova ny fiainanao raha ohatra ka amin’ny fombafomba sy fahazarana fotsiny ihany no entinao andraisanao an’izany Paska izany.

 

Mbola tsy tara akory ianao ny amin’ny fahafantarana ny herin’ny Paska Kristianina. Raha mamaky izao TORITENY ANIO izao ianao androany, dia aoka handray ny hafatr’Andriamanitra , aoka ampiova tanteraka ny fijerinao, ampiova tanteraka ny fisainanao ny famakiana azy . Ary hahatonga anao hanana fijery vaovao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra marina ny famakiana azy. FANOMEZAN-DEHIBE AVY AMIN’ ANDRIAMANITRA NY  ANDRO PASKA, ILAY FANDRESENA LEHIBE, IZAY OMEN’ANDRIAMATRA ANTSIKA ZANAK’OLOMBELONA. Ny Kristiana rehetra dia tokony  HISAOTRA AN’ANDRIAMANITRA TANTERAKA noho ny FAMONJENY ANTSIKA OLOMBELONA tamin’ny andro Paska.

 

INONA TOKOA ARY MOA NY ZAVA-MIAFINA TAMIN’IZANY PASKA IZANY?

 

Tamin’ny alalan’ny Paska no:

 

1.       namonjen’Andriamanitra ny zanak’Israely ho amin’ny fitahiana na dia vao tany amin’ny tany nanandevozana azy tany Egypte aza izy.

 

  • Paska no nanafahan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fatotra sy ny fanandevozana nataon’ny Egyptianina azy. Ary taorian’ny famonjena lehibe nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo izay, dia nitondra ny zanak’Israely ho amin’ny fitahiana, sy ny fanambinana ny Tompo Andriamanitra. Nanomboka teo dia tsy namelany raha tsy tonga tany  amin’ny tany nomeny ho azy ireo ho lovany izy ireo,   dia  lovany  izay ambaran’ny Baiboly hoe “ tany tondra-dronono sy tantely”.

 

  •  Paska no nentin’Andriamanitra nanova ny fiainan’ny zanak’Israely, nanova ny tantaran’ny zanak’Israely. Izay tantaran’ny  fanandevozana ho  LASA tantara ho amin’ny fanandratana ambony dia ambony.

 

Hoy indrindra Andriamanitra tamin’izany andron’ny Paska tany Egypte izany:

 

2.       Hitety ny tanin’ ny Egypte manontolo  aho amin’ny alin’ny Paska ka ny tolam-baravarana tsy misy rà dia vonoiko daholo ny voalohanteraka lahy ao aminy ( na tranon’olona io na tranom-biby)

  • Tamin’izany fotoana izany dia nasain’Andriamanitra naka zanak’ondry na zanak’osy ny zanak’Israely. Dia tamin’ny fotoan’andro anankiray notendren’Andriamanitra dia nasain’Andriamanitra novonoina io zanak’ondry io na zanak’osy io. Novonoina tamin’ny alina izany. Ny henany dia ho atono, dia hohanina tsy azo asiana ambiny isam-pianakaviana. Ary ny rany kosa, dia afafy amin’ny tolam-baravarana anankiroa sy ny tataom-baravarana.

 

  • Dia izao ny teny nataon’Andriamanitra tamin’ny zanak’Israely, “ Any amin’ny alina be any, dia handalo Aho, hitety ny tanànan’ny Egypte iray manontolo, hitety ny lava-tranon’ny egyptianina iray manontolo, eny hatramin’ny fitoeran’ny biby fiompy aza dia ho teteziko ka na ny lava-trano na ny trano hahitako rà eo anoloam-baravarana sy tolam-baravarana dia tsy hiditra ao Aho, fa eo amin’ny trano izay tsy hahitako an’izany dia hidirako na ao amin’ny tranon’olona izany na ao amin’ny tranon’ny biby ka ho vonoiko avokoa ny voloan-teraka rehetra na amin’ny olona io, na amin’ny biby.

 

  • Dia noho izany teny nataon’Andriamanitra izany dia nankato ny zanak’Israely, nanaiky ny zanak’Israely, dia nataony tokoa izany nampanaovin’Andriamanitra azy. Deraina ny Tompo fa Andriamanitra tsy mandainga, Andriamanitra marina amin’ny teniny. Rehefa tonga ny alina, dia nandalo tokoa  Andriamanitra tamin’ny alalan’ilay anjely mpandringana. Ny tranon’ny zanak’Israely rehetra dia efa nisy rà teo amin’ny taotaom-baravarana . Noho izany dia nandalo fotsiny ilay anjely mpandringana.

 

  •  Fa teo amin’ny tranon’ny egyptianina kosa dia tsy nahitana izany rà izany ka niditra tao ny anjely mpamingana dia novonoiny ny lahimatoa tao na ny voloan-teraka tao, ka na teo amin’ny vahoaka, na tany amin’ny lapam-panjakana, na tany amin’ireo biby fiompin’ny Egyptiana dia nisy an’izany fahafatesana izany avokoa.

 

  • Ary izany indrindra no antony nahatonga ny egyptianina tsy niandry ela fa tamin’iny alina iny ihany dia voatery navotsotr’izy ireo hiala eo an-tanany  ny Zanak’Israely izay nandevoziny sy nogadrainy nandritra ny taona maro. Ary tamin’iny alina iny ihany dia nanosika ireo zanak’Israely araka izay haingana indrindra ny egyptianina rehetra: “ Mialà eto amin’ny taninay ianareo fa maty izahay.”

 

  • Tsy vitan’izany ihany fa notambazandry zareo Egyptiana volamena sy firavaka iny alina ihany koa ny Israeliana mba hiainga haingana. Izany koa ny fanambinana ara-nofo nomen’Andriamanitra azy ireo tamin’ny alin’ny Paska.

 

  •  Azo lazaina izany fa tamin’iny alina iny ihany dia afaka tao ambanin’ny fanandevozan’ny egyptianina ny zanak’Israely. Ary ny nahafaka azy dia tsotra, satria nisy ny Paska. Iny alina iny ihany dia efa nitarika azy Andriamanitra ho any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.

 

 

Dia mitovy tsy misy valaka amin’izany koa ny Paska izay ankalazaintsika ankehitriny .

 

3.       Paska no nananganan’Andriamanitra an’I Jesosy Kristy zanany tamin’ny maty mba ho famonjena ny zanak’olombelona rehetra mino  Azy ho any amin’ny fiainana mandrakizay

 

  • AnkehitrinyJesosy Kristy no zanak’ondry velona natao sorona nalatsa_drà  mba ho famonjena amin’ny  andro Paska.

 

  • Izay zanak’olombelona mihosotra aram-panahy  ny ran’I Jesosy Kristy nitete tao Kalvary ihany no voavonjy hahita ny fifaliana ao amin’ny fiainana mandrakizay  mandrakizay. Ireo karazan’olombelona ireo ihany no afaka amin’ny famitahan’ilay Satana fahavalo, izay hanao izay handavoana ny olona ho very any amin’ny helo.

 

  • Tamin’ny alalan’ny Paska izay ankalazaintsika isan-taona toy izao no namonjen’Andriamanitra ny zanak’olombelona rehetra izay mino an’I Jesosy Kristy ho afaka tamin’ny fatotra sy ny geja nataon’ny devoly sy ny ozona namatotra azy.

 

  • Ary taorian’ny izany fanafahana nataon’Andriamanitra izany koa no nitondran’ Andriamanitra antsika ankehitriny  izay hiainan’ny vahoakan’Andriamanitra mandritra ny fahavelomany  eto ambonin’ny tany.

 

  • Ary ny tena fahasoavana lehibe indrindra dia: tamin’ny alalan’io Paska io no nitondran’Andriamanitra ny olona rehetra izay tonga ao amin’I Jesosy ho any amin’ny “ fiainana mandrakizay” (io no endrika sahala amin’ilay fampanantenana “tany tondra-dronono sy tantely tamin’ny andron’ny zanak’Israely  fony tany Egypte fahiny).

 

Dia toy izao no voalaza mikasika ny paska izay ankalazaintsika amin’izao vanim-potoanantsika izao:

 

 I Korintiana 5: 17 “Voavono I Kristy, paska ho antsika”

 

  • Izany hoe Jesosy Kristy no nomen’Andriamanitra antsika zanak’olombelona, ho atao sorona, mba ho vonoina eo ambony hazo fijaliana.  Amin’ny alalan’I Jesosy Kristy izay natao sorona io, novonoina io no hamonjen’Andriamanitra antsika, hanafahan’Andriamanitra antsika, ho afaka amin’ny fatotra sy ny geja ataon’ny devoly sy ny ozona.

 

4. Koa na iza na iza mino fa  Jesosy  Kristy voavono ho antsika dia ho VAHAN’ANDRIAMANITRA  NY GEJA  MAMATOTRA NY FIAINANY.

 

  • Ianao izany raha mino, ary tena milaza fa Jesosy no paska ho antsika, dia hamonjy anao Andriamanitra androany, hanafaka anao Andriamanitra androany. Ary na manao ahoana sy manao ahoana ny fisehon’ny fatotra sy ny geja mahazo anao amin’ity andro androany ity, dia haneho hery mahaga aminao Andriamanitra , hanafaka anao.

 

  • Ilay tantaran’ny zanak’Israely notantaraina taminareo teo dia tsy hafa fa tadindon’ny paska izay ankalazaintsika izao. Ny hita mivandravandra aloha tamin’ny andron’ny zanak’Israely dia tsy niandry ny Egyptianina fa dia tamin’iny alina iny ihany dia tsy maintsy namotsotra ny zanak’Israely. Tsy azony natao intsony ny miazona ireto zanak’Israely ireto.

 

  •  Raha mino ihany koa ianao androany fa Jesosy no Paska ho antsika dia tiako ny milaza aminao fa na manao ahoana sy manao ahoana ny herin’ny maizina sy ny geja nataon’ny devoly na nataon’ny ozona na nataon’ny hery hafa teo amin’ny fiainanao, androany dieny  androany ihany dia tsy maintsy hamotsotra anao ireo fatoran’olana mahazo anao.

 

  •  Izay no antony mahatonga ahy miteny aminao hoe raha marary ianao androany dia ho sitrana, raha misy zavatra mitatao eo amin’ny fiainanao na tsy zakanao dia ho afaka izany.

 

5.Fa ny tena mampahery dia tsy vitan’ny hoe: maty fotsiny Jesosy fa nantsangan’Andriamanitra tamin’ny maty ihany koa Jesosy ary velona Izy amin’izao fotoana izao.

 

  • Araka ny teniny dia eo afovoantsika Izy. Hoy Jesosy: “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia ao afovoany Aho” Matio 8:20

 

  • Izay fitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty izay no tena fandresena lehibe indrindra ho an’ny olona izay mino sy manaiky an’I Jesosy. Ary izay no tena hoe paska fandresena ho antsika kristianina.

 

  •  Araka ny voalazan’ny Baiboly dia nataon’ny devoly izay hahafaty an’I Jesosy. Raha vao tonga tety ambonin’ny tany Jesosy dia ny masaka tao an-tsain’ny devoly dia ny hamono hahafaty an’I Jesosy. Ary dia nataony daholo ny hevitra rehetra azo atao mba hahatanteraka an’izany famonoana an’I Jesosy izany. Nihevitra mantsy ny devoly fa izay no làlana tokana hitany hahafahany manjaka sy manapaka mandrakizay eto ambonin’ity tany ity. Fa izy dia nahatsapa hoe io Jesosy io no ilay Andriamanitra avy any an-danitra, . Fantany tsara mihintsy izany.

 

  •  Ary fantany hoe mitafy nofo sy rà tahaka ny olombelona Jesosy. Noho izany dia fantany hoe: azo vonoina. Ka raha maty tokoa io dia vita hatreo ny fandaharan’Andriamanitra eto ambonin’ity tany ity fa ireo no hanjaka sy hanapaka mandrakizay eto ambonin’ity tany ity.

 

6.Fa tsy fantatry ny devoly hoe io fahafatesan’I Jesosy io anie ha hivadika ho zava-doza  ho azy.

  • Ary tsy fantany tokoa hoe hivadika ho zava-doza ho an’ny devoly tokoa ny fahafatesan’I Jesosy tamin’izany fotoana izany. Hazavaina amintsika koa fa tamin’ny alalan’ny fahafatesan’I Jesosy Kristy teo ambonin’ny hazo fijaliana, nidinany tany amin’ny fiainan-tsy hita ,  no nanomezan’Andriamanitra  fahefana Azy  handringana sy handresy ny devoly eran’izao tontolo izao . Ary INDRINDRA hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo ka HO VELONA MANDRAKIZAY eo amin’izao tontolo izao .

 

  • Fa saingy tsy fantatry ny devoly izany  fandaharan’ Andriamanitra izany satria nafenin’Andriamanitra taminy.

 

  •  Averiko indray ny hoe: ny devoly dia nihevitra ary nieritreritra fa ny vahaolana tsara indrindra ho azy ireo dia hoe:  Jesosy maty.

 

  •  Izany no antony nahatonga ny fiainan’i Jesosy, mbola kely, vao teraka dia tsy maintsy nafenina, nampandosirana tany Egypte satria nokasain’I Heroda ho vonoina Izy tamin’izany. Ny devoly no tao ambadik’I Heroda: “Ataovy izay hahitana izany zaza teraka izany fa iankohoka eo anatrehany koa aho”, hoy Heroda fa tsy fantatry ny magy fa tsy iankohoka akory Heroda fa rehefa fantany hoe: ity ilay teraka ho mpanjakan’ny Jiosy, dia tsy maintsy vonoina Izy, mba ho tapitra ny fandaharany eto ambonin’ity tany ity, ka hanjaka sy hanapaka mandrakizay mandrakizay eto ambonin’ity tany ity ny devoly. Kanjo tsy matiny Jesosy.

 

  •  Rehefa lehibehibe Jesosy, tsy indray mandeha na indroa na in-telo fa matetika dia nokasain’ny olona nosamborina Jesosy, hoe ho melohina, ary ho vonoina ho faty. Ny devoly no tao ambadik’izany rehetra izany fa tsy nety tanteraka mihintsy satria hoy ny Baiboly hoe: “Tsy mbola tonga ny fotoanan’Andriamanitra.” Andriamanitra manana ny fotoanany, hoe amin’ny fotoana ohatra izao no amelako an’I Jesosy  ho samborina, ho melohina, ary ho vonoina.

 

  •  Fa rehefa tena tonga tokoa ny fotoana(33 ans), dia voasambotra Jesosy, nomelohina Izy, ary ny farany dia novonoina Izy.

 

  • Tamin’ny voalohany aloha, dia nihorakoraka tsy nisy ohatra izany ny devoly hoe: “Vita ny tantaran’ilehio, vita ny tantaran’ilehio, fa dia hanjaka sy hanapaka mandrakizay mandrakizay eto ambonin’ity tany ity isika”. Kanjo tsy fantany fa hay ilay fahafatesan’I Jesosy, dia nivadika ho zava-doza ho an’ny devoly. Izany hoe tamin’ny alalan’ny fahafatesan’I Jesosy teo ambonin’ny hazo fijaliana no nahatonga ny devoly ringana, nahatonga ny devoly  resy 100% manoloana ny rà masin’I Jesosy Kristy.

 

Andao ary hamaky ny tenin’Andriamanitra isika, entin-tsika manambara fa tena izay mihintsy ny fandaharan’Andrimanitra entina handringanana sy handresena ny devoly.

 

 Hebreo 2:14  “Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly”

 

  • Ny voasoratra eto izany dia hoe “tonga hitafy nofo sy rà ihany koa Jesosy” ary ny zavatra kendren’Andriamanitra tamin’izany dia izao: mba hahatonga an’I Jesosy handalo fahafatesana. Satria amin’ny alalan’ny fahafatesan’I Jesosy no handringanana ny devoly. Izay izany ilay zava-miafina nafenin’Andriamanitra ka nahatonga ny devoly tsy nahalala hoe ho zava-doza ho azy ny fahafatesan’I Jesosy.

 

 I Korintiana 2:8Ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao fa raha nahalala izy dia tsy nohomboany tamin’ny hazo fijaliana ny Tompon’ny voninahitra.”

  • Tena mazava be ny voasoratra, fa ny devoly, ilay mpanapaka izao tontolo izao voalazany io dia voasoratra hoe :”tsy  nahalala mihintsy izy, hoe: ho zava-doza ho azy ny fahafatesan’I Jesosy, fa raha nahalala izy hoy ny Baiboly dia tsy nohomboany tamin’ny hazo fijaliana ny Tompon’ny voninahitra. Efa nanao fahadisoana lehibe ny devoly, fa dia nanomboka tamin’ny fotoana nahafaty an’I Jesosy dia resy ny devoly, voaringana tanteraka izy.

 

  • Nanomboka tamin’ny fotoana izay namonoana ilay zanak’ondry na ilay zanak’osy, nanomboka tamin’ny fotoana izay nanosorana ilay rà teo amin’ny taotaom-baravarana sy ny tolanam-baravaran’ireo zanak’Israely, nanomboka teo dia resy tanteraka ny egyptianina ary izay no nahatonga azy tsy maintsy namotsotra ny zanak’Israely.

 

  • Dia nanomboka tamin’ny fotoana izay nahafaty an’I Jesosy ihany koa dia resy tanteraka ny devoly ary azo lazaina fa resy tanteraka ny fahefana teo antànany.

 

  • Fa ny tena olana amin’ny devoly dia izao: ny fitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty! Indrindrindra fa raha mino izany fitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty izany nyzanak’ olona, dia tena mafy tamin'ny devoly ny mieritreritra izany.

 

Hazavaiko amintsika rehetra.

  • Raha anisan’ny olona tena mino ianao, fa efa maty Jesosy, Izy no paska ho antsika, ary mino ianao fa efa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Jesosy dia miaraka amin’ny vava, dia mpandresy ny devoly ihany koa ianao.

 

  • Ary izay no tena mafy be tamin’ny devoly. Izy ireo efa resin’I Jesosy,  mbola zakany ihany  fa ny tena mafy amin’ny devoly dia ny hoe: ny olombelona izay noeritreretiny hoe ho andevozina mandrakizay, ho ampijaliana mandrakizay no indro fa maharesy azy ihany koa aty aoriana. Satria izay mino an’I Jesosy ho efa maty ary manaiky an’I Jesosy ho efa tany amin’ny fiainana tsy hita dia efa voasoratra fa dia maharesy devoly ary maharesy devoly hatramin’ny farany.

 

Izany  no nahatonga an’ny devoly tsy maintsy manely tsaho milaza fa tsy nitsangana tamin’ny maty izany Jesosy. Andeha anie ho vakiantsika  Matio 28:11

 

  • Taorian’ny fitsanganan’I Jesosy tamin'ny maty, dia nahelin’ny devoly tamin'ny alalan’ny jiosy ny tsaho fa nisy nangalatra tao ampasana ny fatin’I Jesosy raha mbola variana natory ny mpiambina. Ary dia tsy hita izay nametrahany azy mandrak’ankehitriny. Dia io voasoratra io, izany hoe hatramin’izao, ao amin’ny tanin’Israely ao dia mbola mandeha io  tsaho hoe nagalarin’ny mpianatra ny fatin’I Jesosy ara-tantara io, ka dia tsy hita hono izay  nametrahana ny fatiny mandrak’ankehitriny.

 

  • Ny tanjona kendren’ny devoly amin’izany dia hoe mba hahatonga ny olona tsy handresy ny devoly, mba hahatonga ny olona tsy ho afaka eo an-tànanan’ny devoly. Fa ny mampahery: ny marina dia tsy maintsy miseho eny foana.

 

  • Efa maty Jesosy, ho famonjena antsika, ho fanafahana ho antsika,

 

  •  Na inona na inona endrika famatorana mahazo antsika dia efa maty Jesosy ho fanafahana ho antsika sy ho famonjena antsika. Ary efa nitsangana tamin’ny maty Izy mba hahatonga antsika izay mino an’izany fahafatesan’I Jesosy sy fitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty izany, afaka mandresy ny devoly mpamatotra sy mpangeja.

 

  •  Noho izany, ho anao tonga eto, na mamaky ity toriteny ity marary tokoa ve ianao?

 

  • Misy olana vokatry ny fatotra ataon’ny devoly ve eo aminao? Misy zavatra mampahory sy mampijaly anao ve noho ilay herin’ny ozona mitatao eo amin’ny fiainanao?

 

  •  Misy zavatra hafa ankoatra izay, tsapanao fa tena mahavery fanahy mbola velona anao, tena mahakivikivy anao ve?

 

  •  Ny vaovao mahafaly dia izao: raha mino ianao, fa Jesosy no paska ho antsika, izany hoe maty dia nalevina, raha mino ianao fa nitsangana tamin’ny maty ihany koa izany Jesosy izany, tsy rahampitso na afaka ampitso fa androany dia androany ihany dia hivaha ny fatorana mahazo anao io. Ho afaka amin’ny geja ataon’ny devoly ianao satria izay mihitsy no  efa nanoloran’Andriamanitra an’I Jesosy Kristy ho antsika mba hahafahan’Andriamanitra manafaka antsika amin’ny fatotra sy ny geja ataon’ny fahavalo.

 

  • Ary fanampin’izay, ny fandaharan’Andriamanitra dia izao: izay rehetra tonga ao amin’I Jesosy na iza na iza dia ataon’Andrimanitra mitsimbadika ny tantaram-piainany.

 

  •  Raha teo aloha ianao, notaingenan’ny devoly, na taiza na taiza ny toerana nalehanao, efa tonga ny fotoana, efa nitsangana tamin’ny maty I Jesosy: ho eo ambanin’ny faladian’ny tongotrao indray ny devoly no hipetraka.

 

  • Ary izany no antony mahatonga an’I Jesosy, talohan’ny fotoana nisamborana Azy, talohan’ny nahafatesany dia efa nilaza Izy hoe, indro: “Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.” Lioka 10:19 .Mbola tsy voasambotra akory Jesosy, dia efa nilaza Izy fa io devoly io dia ho hitsahina ao ambanin’ny faladian-tongotra izy.

 

2000 taona izay no lasa, nahafaty an’I Jesosy, sy nitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty. 2000 taona izay no naharesy zato isan-jato ny devoly sy nahavoaringana azy. Ankehitriny, dia mino ny fahamarinan’izany isika, noho izany dia mahatokia fa ho eo ambanin’ny tongotrao ny devoly ankehitriny.

 

  • Anisan’ny mampahery dia izao: ny zava-nitranga tamin’ny zanak’Israely io dia tandindon’ny fiainantsika ankehitriny araka izay voasoratra sy ny zava-niseho tamin’ny zanak’Israely, dia nataon’Andriamanitra hiseho amin’ny fiainantsika ankehitriny. Raha vao nahatsapa faharesena ny egyptianina ka namotsotra ny zanak’Israely hiala eo an-tànany, dia teo no eo ihany dia notahian’Andriamanitra be, ny zanak’Israely, satria ny egyptianina rehetra dia samy namoaka ny firavany, ny volamenany, ny volafotsiny izay notahiriziny tany amin’ny trano misy azy any dia natolony ho an’ny zanak’Israely daholo.

 

  • Androany, dia ho votsotra eo antanan’ny devoly ihany koa ireo fahasoavana maro be nofihininy hatramin’izay ary dia omen’Andriamanitra ho anao avokoa ireo.

 

  • Amin’ity paska ity, dia hisy fitahiana lehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny marary ho sitrana, ireo manana olana hahazo vahaolana, ny fiainanao ho tonga tahiana. Dia ho tanteraka ny faniriantsika hatramin’izay hoe “Hiavaka ity taona ity, hiavaka mihoatra ny taona rehetra satria amin’izay taona izao no izaran’Andriamanitra fahasoavana lehibe ho eo amin’ny fiainanao.”

 

  • Aza atao fombafomba na fahazarana fotsiny ihany ny fankalazana ny Paska, ka ny lehibe aminao dia ilay fety, ilay fialan-tsasatra, ilay fifaliana, na ireo fihinanana sakafo be, ary sanatria anie ka raha misakafo isika dia ho arahana toaka.

 

  • Fa ataovy lehibe aminao amin’ity andro androany ity dia tamin’ny alalan’ny Paska no namonjen’Andriamanitra ahy, ary mbola hamonjeny ahy. Ary tamin’ny alalan’ny paska no nahatonga ny devoly ho resy ary mbola handresy azy aho mandrak’ankehitriny. Ataovy tena zava-dehibe aminao mihintsy izany. Fa tiako ny milaza aminao fa ho AVAHAN’ANDRIAMANITRA IANAO.

 

  • Ity ary ny faminaniana nampitondrain’Andriamanitra an’I Malakia, ho an’ny olona izay manaiky ny Paska manaiky ny fitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty, dia izao ny faminaniana omen’Andriamanitra azy; izay ho tanterahin’Andriamanitra amin’izay mino ka manaiky:

 

  •  Malakia 3:18,20 “Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo AzyAry hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tànany; ary hivoaka hianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy

 

Hitohy ny fiainam-pandresenao, hitohy ny fiainam-pitahianao , hitohy ny fiainam-pahombiazanao!

Mahereza, tia Anao Jesosy!!! VOAVONO KRISTY PASKA HO ANTSIKA!

 

 

Pasteur RANDRIANAIVORAVELONA Adolphe

                                                                                                               Tél: 0340485247

 



17/04/2012
2 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres