Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Lah 002: NY antony tsy MAMPITOVY ny FITAHIAN’ANDRIAMANITRA na samy MPINO KRISTIANINA AZA

LAH 002

Toriteny  nataon’i Pasteur RANDRIANAIVORAVELONA  Adolphe, Rhéfi Androndrakely

Nangonin’i Melle RABEMANATSOA Nialy Stéphanie, JMJ

Narindran’i Professeur RAZANAKOLONA Mialy, Faculté de Médecine d’Antananarivo.

Fampidirana :

  • Maro ny mpino kristianina efa an-taonany maro teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra nefa dia mahita fahasahirana eo amin’ny fiandrasana valimbavaka na fiandrasana fitahiana.

 

  • Misy kosa nefa karazana Kristianina izay hita fa tsy manana fahasarotana eo amin’ny fiandrasana valimbavaka fa dia tena hita maso tokoa fa tena mitahy azy ny Tompo eo amin’ny fiainany andavan’andro.

 

  • Ny mahagaga nefa dia ireo karazana mpino 2 ireo dia samy tezaina ao amin’ny fiangonana iray ary iray koa ny mpitaiza azy ara- panahy.

 

 

  • Inona ary no  dia mahatonga izany fahasamihafan’ny hafainganam-pandehan’ny valim-bavaka « momba ny fitahiana izany », nefa samy mpino  beazina eo amin’ny toerana iray izy ireo ?

Andao ho jerentsika ary  fa misy zava-miafina tokony ho takarintsika izany fa tsy mistery akory

 

 

 

Genesisy 22 :1-2 sy 9-15 :

  • « 1.Rehefa afaka izany zavatra izany dia nozahan’Andriamanitra toetra Abrahama ka hoy Izy taminy : Ry Abrahama o !ary hoy izy :inty aho.2.Ary hoy izy :Ento ny zanakao lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary atero any izy ho fanatitra  dorana ao amin’nt tendrombohitra anankiray izay ho lazaiko aminao……. 9.Ary rehefa tonga tany teo amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy, dia nanorina alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay. Ary Abrahama naninjitra ny tanany ka nandray ny antsy mba hamonoana ny zanany. Fa niantso azy ilay anjelin’ny lanitra, ka nanao hoe : Ry Abrahama o !... aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy , ary aza maninona azy akory fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao….15. Dia niantso an’i Abrahama fanindroany ilay anjelin’i Jehovah ka nanao hoe : Ny tenako no nianianako hoy Jehovah : Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalo, ary amin’nyn taranakao no  hitahiana ny firenena rehatra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao ».

Manamafy izao teny izao aho anio :

  • Andriamanitra dia mitahy ny olona rehetra izay manompo Azy
  • Tsy miova izy ary tsy mizaha tavan’olona

Inona no noa atao hoe: “fitahiana”?

  • Zava-tsoa avy any ambony, omen’Andriamanitra mba hahasoa ny ety antany
  • Hery ihany koa avy any ambony mba hahafaka ny olona izay manompo azy
  • Fidiran’Andriamanitra antsehatra eo amin’ny fiainantsika

Ohatra amin’izany karazam-pitahiana izany izao ny azon’ny Israely . Raha niala tany Egypta izy ireo dia angamba nanantena fa:

  • Làlana feno voninkazo foana no izorany mandra-pahatonga any Kanana. Kinanjo, tsy izany no niseho fa nisedra haintany, tebiteby, hanoanana sy ady maro. Hany ka maro tamin’izy ireo no lasa nanome tsiny an’I Mosesy mihitsy aza.

 

  •  (Tsetsatsetsa tsy aritra no hanafarako etoana : mba tsy hanome tsiny ny olon’Andriamanitra ianao raha tarihina fa tsy fantatra izay fandaharan’Andriamanitra amin’izay zavatra hanakiananao azy izany).

 

  •  Nefa jereo, fa manoloana izany zava-tsarotra sy hanoanana izany no nampisehoan’I Tompo fa afaka mitahy azy avy any an-danitra amin’ny alalàn’ny papelika sy ny màna isan’andro Izy

 

 

Ahoana ary no ilazana fa “ ao anatin’ny lisitry ny olona natao ho tahiana isika mamaky izao toriteny izao ?”

  1. 1.      Jereo Galatiana 3-28:
  • “ Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’I Jesosy Kristy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’I Kristy dia nitafy an’I Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy, fa iray ihany hianareo rehetra eo amin’I Kristy Jesosy “.

 

  • Izany hoe: raha nandray an’I Kristy ho mpamonjy ianao dia nambaran’Andriamanitra fa zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy.

 

 

  1. 2.      Jereo Galatiana 3-29:

 

  • “Fa raha an’I Kristy ianareo dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana”.

 

  • Izany hoe: izay nataon’Andriamanitra tamin’I Abrahama tamin’izany fotoana izany dia ataon’Andriamanitra amintsika koa amin’izao fotoana izao. Abrahama mantsy nanaovan’Andriamanitra fianianana (promesse) fa ho tahiany hatrany amin’ny taranany.
  1. 3.      Jereo Galatiana 4-28:

 

  • “Fa isika ry rahalahy dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’i Isaka”

 

  • Notahian’Andriamanitra manokana mantsy Isaka. Santionany amin’izany ny nandefasan’Andriamanitra azy hifindra monina tany amin’ny tanin’ny Filistina raha nisy mosary tampoka namely tao Israely. Afaka manavaka  anao amin’ny andro sarotra toy izany Andriamanitra.

 

  • Izany no antony ilazana aminao hoe: aza malaky kivy sy mitanondrika izany ianao. Olona miavaka ianao ao anatin’ny maro

 

  • Hafa ianao, ary hafa ny sasany. Satria ianao, zanaky ny teny fikasana tahaka an’I Isaka. Ary Andriamanitra tsy mandainga na mizaha tavan’olona fa raha zanaky ny teny fikasana amin’ny alalan’I Jesosy ianao, dia voatahy tokoa tahaka an’ Isaka.

 

  • Jereo ny tohin’ny tantaran’isaka, fa ny tany izay namboleny rehetra dia namokatra be tsy nisy toy izany mihitsy. Ary na ny mpanjaka tany aza dia vaky vava momba izany taona zina tao amin’ny fambolen’Isaka izany.

 

 

  1. 4.      Jereo Romana 8:31-36:

 

  • “Inona ary ary no ho lazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no, momba antsika ,iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?”

 

  1. 5.          Jereo Romana 8:16-17:
  • “Ny fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanak’Andriamanitra dia mpandova, eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’I Kristy koa”
  • Zava- dehibe izany “heritage” miaraka amin’I Kristy izany.

 

Ahoana kosa ary no atao mba HAHATANTERAKA izany fahasoavana (FITAHIANA) LEHIBE IZANY?

  • ( satria voalazantsika fa  mahagaga fa tsy mitovy ny fitahiana azo na samy mpino beazina eo amin’ny fiangonana iray  aza)

  

  1.  Tsy maintsy manana FINOANA aloha

 

 

  • Tsy maintsy mino aloha ianao fa olona efa ao anatin’ny lisitry ny ho tahian’Andriamanitra
  • Jereo Hebreo 11/6:

      “Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy, fa izay                   manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay                 mazoto mitady Azy”

 

  • Izany finoana izany no nahavitan’I zanak’Israely  nandrodana ny mandan’i Jeriko
  • Izany finoana izany no nahazahoan’ilay vehivavy kananita ny fanasitranana ny zanany vavy na dia efa nahafantatra aza izy fa Jesosy dia tsy natao famonjena afatsy ho an’ny Jiosy irery ihany. Na nahiliky ny mpianatra aza izy dia nisisika. Na dia Jesosy mihintsy aza no nitodika niteny taminy ka nilaza fa”tsy mety ny hanome ny mofon-jaza ho an’ny amboakely” dia nisisika ihany izy ho vonjena. Ary finoana no namaliany Azy fa: “na ny amboakely aza mba mihinanana ny sombitsombiny latsaka amin’ny latabatry ny tompony ihany. Izany no nahatonga an’I Jesosy nilaza fa: Tena tsy nahita finoana lehibe toy izany izy na teo amin’ny Jiosy aza. Ary nankasitrahany izany fitazonana ny finoana hatramin’ny farany izany ka dia nomeny ny valim-bavaka ho an’ilay vehivavy Samaritana.

 

Ho anao mamaky anio:

 

  • Na toy ny inona na toy ny inona ny fisehoan’ny fahasarotana hitra maso eo amin’ny fiainanao, dia ampiakaro ny finoanao, TSY ATAO MAHAKIVY IZAY ZAVATRA HITA MASO. Ahoreno eo amin’i Jesosy  ny finoanao ary EKEO FA TSARA TOERANA IANAO EO AMIN’ANDRIAMANITRA !

 

Ity finoana ity nefa (izany hoe: ity tsy finoana ity ) dia mahagaga fa olana (probleme be) ny hiainana azy eo amin’ny mpino marobe;

  • Tsy mety mino tsara ny mpino +++
 
  • Raha ao  anaty fahasoavana sy fifaliana ny mpino, dia tsy hita io “tsy finoana an’Andriamanitra io”. Matetika no heno ny : tsara ny Tompo, isan’andro isan’andro, ary isan’andro isan’andro tsara ny Tompo, sns…

 

  • Fa rehefa ao anatin’ny olana kosa ny Kristiana ka tsy mahita hisarangotana intsony dia adinony fa mijery azy Andriamanitra.Tsy mahavonjy intsony ilay Tompo, tsy voadera intsony izy.Ary miezaka manavo-tena amin’ny olombelona manodidina azy sy ny fombafombandrazana hafahafa ny mpino. Adinontsika nefa, fa eo amin’ny fangifiriantsika no tena hijeren’Andriamanitra ny finoantsika Kristiana Azy.

 

  • Adinonao ve fa ny Tompo efa nilaza hoe: “Tsy voalazako va, fa raha mino ianao dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?”. Izany finoan’ny marary mafy ny fanasitranan’ny Tompo izany no nahatonga olona maro sitrana tamin’ny Cancer (homamiadana) raha nentina teo anatrehan’ny Tompo ny aretiny. Izany no nahafaka olona maro nitebiteby teoamin’ny fitsarana ho afaka tampoka tamin’ny fanamelohana azy na dia efa niomana hiditra higadra aza izy ireo fa manameloka azy daholo ny zava-miseho.

 

  • Mahagaga nefa fa na dia amin’ireny olona novonjen’ny Tompo tamin’ny fahagagana ireny dia mbola maro koa ny manadino tanteraka an’Andriamanitra rehefa milamina ny fiainany avy eo. Nankaiza ary ilay finoana Azy toy ilay fony mbola narary mafy sy nitebiteby ? Sa filanjavatra fotsiny koa no ninoantsika Azy  fa tsy fitiavana Azy amin’ny fontsika rehetra?

 2.      Tsy maintsy Mankato an’Andriamanitra sy ny TENINY ianao:

  • Tena alahelon’Andriamanitra mihintsy ny fiodinan’ny zanak’olombelona taminy. Hany ka niradraraka ny ozona.

 

  • Raha nandray antsika io Andriamanitra io tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia tsy haka antsika mpino nandray an’I Kristy ho Tompo sy mpamonjy handeha hody mandry  haingana akory no mahamaika azy; fa ny hahita antsika mpino HANOMPO an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, hahafahany “mi- DEFIER” an’I Satana +++

 

Ny mampalahelo anefa dia:

  • Tsy manompo an’Andriamanitra akory ny mpino fa isan’ny lisitry ny mpino fotsiny izy
  • Raha ny tena marina dia tokony tsy ho hisy mpino tsy hanana andraikitra izany eo amin’ny fiangonana (tsy anjely no mpandamina sy mpanadio fiangonana ohatra, tsy anjely no mitory teny, tsy anjely no mandroaka devoly…. Fa isika mpino
  • Manompoa an’I Jehovah dia hitahy anao izy… hanafaka ny ozona
  • I Abrahama anie nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fony rehetra matoa vaky vava Andriamanitra hoe: “hitahy anao sy ny taranakao Aho”

Ry havana ao amin’ny Tompo:

  • Na mifanohitra amin’ny tianao atao aza ny tenin’Andriamanitra dia maneke ny teniny  (iray ao antin’izany ny fanekena hanompo Azy)
  • Aoka ho tsotra tahaka ny zaza ianao amin’ny fanompoana

 3.      Tsy maintsy MANANA FAHARETANA ianao:

  • Tena  ilaina ny faharetana eo ampiandrasana valimbavaka
 
  • Tsy maintsy mahay miandry ny fotoanan’Andriamanitra ianao
  • Matetika ny ankamaroan’ny olona dia IZAO DIENY IZAO dia VALIO aho Andriamanitra o!
 
  • Tsy vitsy koa anefa no mahazo valimbavaka eo no ho eo
 
  • Fa ny tsara ho fantantsika mpino dia Andriamanitra koa dia MIJERY ny OLONA MANANA FAHARETANA

Jereo ohatra  ny tantaran’I Josefa zanak’i Jakoba:

  • Nilaza taminy tamin’ny alalan’ny nofy Andriamanitra fa HASANDRATRA izy. Izay angamba no nampirahareha kely an’I Josefa nitantara izany tamin’ireo mpiray tampo taminy.
  • Ny zavatra nifanohitra tamin’izany nefa no niseho. Saiky ireo rahalahiny izay nolazaina fa hiankohoka taminy indray no nampijaly azy ,nanao izay saika nahafaty azy aza
  • Saingy Andriamanitra rehefa hiasa dia HAFA mihintsy ny fiasany:
  • Nalefany lavitry ny Rainy sy ny fianakaviany Josefa mba tsy hihantahanta eo anilandray fa HO VOLAVOLAINA AMANTAONA (13 taona taty aoriana)izay vao NASANDRATRA HO MPANAPAKA an’I Egypta sy NY RAHALAHINY Josefa

Ianao mpamaky koa:

  • Manàna faharetana
  • Tena mitahy ny olona tonga ao amin’I Jesosy Kristy io Andriamanitra io
  • Arovy ny fiainanao mba TSY HO SOLAFAKA amin’ny FAHARETANA

 

HO FAMARANANA:

 

1.      Aoka tsy ny fitahiana no katsahina mafy eo amin’ny Tompo

2.      Aoka aloha ny fitiavana an’Andriamanitra MIREDAREDA no katsahinao

3.     Efa fantatr’Andriamanitra efa ela fa ilainao izany fitahiana izany, fa manàna faharetana hiandry ny fotoanan’ Andriamanitra hanome izany ho anao.

 

 

 



07/05/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres