Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Jeunes Malgaches pour Jésus Christ

Lah 004: TSY MAINTSY MISISIKA IANAO RAHA TE HIDITRA NY PARADISA

 

 laharana 004:

 

Notorian’i:

  • Professeur RAZANAKOLONA Lala Rasoamialy-Soa, Faculté de Médecine d’Antananarivo

 

Narindran’i:

  • Melle RABEMANANTSOA Nialy Stéphanie, JeunesMalgachespourJesusChrist

 

 

Matio 7/14 :  « Fa èty ny vavahady ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy »

 

  • Mahagaga fa rehefa mba ny fiainana any ankoatra no resahina eo amin’ny andavan’andro dia maro  ireo kristianina na olon-tsotra koa aza (tsy kristianina) ny tsy misalasala fa mahatoky ny handehanany any an-danitra na any am-paradisa, any amin’ilay nampanantenain’I Jesosy nandritra ny fahàvelony tety an-tany , sy ampanantenainy antsika mandrak’ity ny androany  amin’ny alalan’ny Baiboly.

 

  • Mahalasa saina tokoa izany faniriana faobe ny ho any an-danitra izany. Mahabe fanantenana ny mpitory tenin’Andriamanitra angamba izany.Toy ny milaza mantsy fa efa ampy ny teny notoriana tamin’ny mpino ; ka samy efa vonona sy mahatoky tena daholo izay efa nandray an’I Jesosy  fa tsy maintsy handova ny lanitra!

 

  •  Saingy raha dinihina akaiky, dia tena misy mampatahotra. Toa tena be ny ho diso fanantenana. Tsy miteniteny foana manko Andriamanitra fa marina hatrany ny teniny.

 

  • Raha nilaza Izy fa “ETY”; izany hoe: TERY DIA TERY  ny vavahady mankany amin’ny paradisa dia izay no marina. Tsy azonao halehibiazina arak’izay habeanao na izay habe itiavanao azy  ny vavahadin’Andriamanitra !!

 

  • Ny tenin’Andriamanitra dia TSY AZO  OVAINA .

 

  • Fa tsy maintsy isika no manova ny tenantsika hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra

 

Ireto ary misy fahamarinana tsy maintsy ataonao an-tsaina momba izay fepetra ahafahana miditra ny vavahadin’ny lanitra izany

 

 

1.       Tadidio aloha  fa tsy maintsy ho faty ianao:

 

  • Raha tsy adinonao mihintsy io maha mpivahiny anao eto an-tany io dia hanampy anao hahatsiaro ny fanomanana ny ho avy any ankoatra  izany
  • Tsisy afaka hiditra ny paradisa mantsy raha tsy maty ao amin’I Tompo, ary nahatanteraka ny fihazakazahana teo amin’i Tompo aloha.

 

  • Tsara raha tsaroanao lalandava fa tokony hampirin’entana ianao satria hiainga amin’ny ora tsy fantatra , handao ity tany ity , amin’ny fotoana tampoka ho any  amin’ny fiainana izay tena mbola tsy hitanao.

 

  • Amboary ny entanao ara-panahy dieny mbola velona ety an-tany. Fa rehefa miainga ny dianao ka ho faty ianao, tsy afaka mamboatra entana ara-panahy intsony. Fa izay “baggage m-panahinao” na kely na lehibe;  dia izay no “mba vatsinao” ho any ankoatra.

 

  • Hanontany anao aho, amin’izao fahavelomanao izao: mahazo aina ve ianao raha handeha hanao mission any amin’ny firenena  iray na handeha hi-voyage nefa tsy nanomana baggage ??

 

  • Aza ho isan’ny olona variana sy tsy mivaky loha loatra toy izany.

 

  •  Fa na ety an-tany aza dia efa hita fa tsy mitovy ny mpandeha nanoman’ entana sy vatsy sahaza ny diany sy ny mpandeha tsy nieritreritra an’izany vatsy izany akory.

 2.       Tsy izay rehetra misoratra anarana hanala fanadinana dia ho afaka avokoa

 

  • Tsy misy azo iadiankevitra elabe izany , fa izay mpianatra tena niomana mafy tamin’ny fianarana nandritra ny taona ihany. Nahafoy ny fotoanany rehetra mba hianarana satria tena tery te ho afaka fanadinana mafy.

 

  •  Izay karazana mpianatra niomana fatratra izay ihany no ho afaka fanadinana rehefa tonga ny fotoana hanavahana azy amin’ny mpianatra tsy dia niraika loatra tamin’ny fanomanana ny fanadinana

 

  • Tsy ampy hahatonga any amin’ny fiainana any andanitra ny hoe: efa nisafidy an’I Jesosy ho Tompoko aho. Efa mivavaka isank’Alahady izahay mianakavy. Efa fantatry ny mpiara-monina sy ny Pastera fa tena mpino ao amin’io fiangonana io aho sns…

 

  • Namany efa nisoratra anarana ho toy ny zanak’Andriamanitra fotsiny aloha ianao raha izay.Tsy mbola azo antoka raha tena mpino anisan’ny manomana fatratra ny ho tonga any amin’ny fiainan’ny lanitra ianao raha ho avy ny Tompo. Fa ny fantatra aloha dia tena mpino voasoratra anarana ao ampiangonana tokoa ianao.

 

  • Fa inona ary no tokony atao e! Tsotra fotsiny, èty dia èty ilay vavahady mankany amin’ny paradisa ka mila misisika ho an’i Jesosy foana ianao. Mba ilazan’I Jesosy aminao hoe: an’isan’ireo mahazo miditra amin’ilay vavahady tery kely ianao.

3.        Mila misisika ho an’i Jesosy foana ianao

 

Matio 15/21-28

  • “Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ny faritanin’I Tyro sy Sidona. Ary indro nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindra fo amiko Tompoko, ry zanak’I Davida ô! Ny zanako vavy ampahorian’ny demonia loatra. Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanantona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy fa miantso mafy ato aoriantsika. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina  Aho afatsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely. Fa nanantona ihany ravehivavy dia niankohoka teo anatrehany,ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo aho. Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely. Fa hoy ravehivavy: Marina izany Tompoko fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombitsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany. Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay”.

 

  • Io tantara niseho teo amin’I Jesosy sy ny vehivavy jentilisa io dia mampiseho an’I Jesosy izay tsy nety niasa hanasitrana ny zanaky ny Jentilisa na dia marary aza. Satria nanambara Izy fa tsy nirahina ho an’ny jentilisa . Ary nokilasiany ho “amboakely” mihintsy aza moa ilay vehivavy. Fa tsy nampihontsona an’ilay vehivavy izany fa vao maika izy nandroso nitady ny famonjen’I Jesosy ihany.

 

  • Ary nanaiky nanasitrana ny zanany teo no ho eo Jesosy noho ny fahitany fa tena mitady mafy ny famonjeny ilay ramatoa  na dia efa nosakantsakanany aza.

 

  • Mampiseho tsara antsika io tantara iofa n’iza n’iza misisika mitady  famonjena amin’I Jesosy dia voavonjy foana.

 

  • Toy izay koa ny namonjen’I Jesosy ny mararin’ny paralisisa iray mba ho sitrana. Tsy nety kivy ireo mpilanja ny fandrianany raha nahita ny olona vory marobe, ka nanakana ny fitondrana azy hiditra eo amin’ny Tompo. Fa nisisika mafy ireo olona ireo nahita hevitra ny ampidinana ny fandriana avy any an-tafontrano  (lioka 5/18-20)

 

  • Nisisika toy izany koa ilay vehivavy nitsi-drà nandritra  ny 12 taona, lany harena tamin’ny fitsaboana fa tsy nety sitrana.Na reraka sy fanimpanin’ny aretina aza izy dia nisisika ihany tao anatin’ny vahoaka marobe nanodidina an’I Jesosy mba hikasika na dia ny somitr’aviavin’akanjon’i Jesosy fotsiny ihany aza. Ka dia nanasitrana azy Jesosy noho izany.

 

  • Ho fehiny dia tsarovy fa ANKASITRAHAN’I Jesosy  ary tsy very maina eo anatrehany ny fisisihantsika  hanantona  Azy

 

 

 

Ianao koa, mba hahatonga anao ho voavonjy ho isan’izay afaka hiditra ny vavahadin’ny lanitra dia misisiha mafy ho hitan’I Jesosy fa tena mitady fihavanana mafy  aminy:

 

  • Aoka  tsy hihembotra rehefa tojo olana andavan’andro na ara-panahy na ara-nofo; ka lasa kivy tsy mafana fo hijoro ho an’I Tompo intsony.

 

  • Misy tokoa ny mpino, lasa tsy mamonjy fivavahana na asa fanompoana mahazatra azy intsony satria nisy problème mba sarotsarotra  nandalo taminy.

 

  • Ao koa ny mpino sasany izay lasa nalaina nivavaka, lasa leo fivavahana mihintsy  fa”tsy nahazo valim-bavaka” hono.

 

  • Aza ho isan’ny olona toy izany koa ianao, ny fijoroanao ho “fidèle”ho an’I Jesosy; na inona hitranga na inona hidona no “fihetsika”andrasan’I Jesosy aminao. Tiany dia tiany izany toetrana kristianina tsy mihambahamba izany. Izany no mampihetsika ny fony hamonjy anao. Mila mampihetsika ny fon’i Jesosy mba hiantra anao ianao. Miadia mafy mba ho hitan’I Jesosy  ny fiezahanao ho Azy fa tsy ho an’izao tontolo izao.

 

  • Fantaro koa fa tsy fitadiavana valim-bavaka fotsiny ny Tompo. Mba tsy ho amin’ny fitadiavana fanasitranana, na harena , na fahombiazana , na fandaminan-tokatrano fotsiny anie no hitadiavanao an’I Jesosy. Fa mba ny fitiavanao Azy ka mba hikatsahanao ny fiainana mandrakizay, izay tsy tapaka ampatsiahiviny anao. 

 

  • Betsaka nefa ny mpino manadinodino io fiainana mandrakizay io ka lasa mifantoka amin’ny fahafainganana na fahataran’ny valim-bavaka no mahatonga azy mafàna fo ho an’i Tompo ,na tsy ho taitra loatra amin’izay takian’I Tompo.

 

  • “Tsy misisika tsotra izao” ho an’I Tompo ny karazana mpino toy izany. Azo antoka fa ho èty dia èty ny vavahadin’ny lanitra ho an’ny mpino toy izany raha tsy miova haingana izany fomba fifandraisana amin’I Tompo izany.

 

  • Misy karazana mpino koa mafana fo rehefa tsy misy olon’izao tontolo izao mandrebireby azy. Fa raha vao misy olona akaiky azy miteny hoe:” ny anao koa dia izany fahamarinana be izany foana, f’angaha Jesosy moa tsy hoe: olona mpanota indray no tiany sns… dia lasa mizara roa ny sainy.

 

  • Ary izany karazana mpino izany dia tena tsy manana hery handà ny tenin’ny manodidina azy mihintsy izy fa menatra an’ireo manodidina azy ireo. Tsy sahy hijoro hoe: efa an’i Jesosy aho ka efa mandà ny ratsy rehetra!

 

  • “Sady lasa tsy momba ny atsy izy ireny no tsy momba ny aroa”.”Sady tsy mahafoy an’I Jesosy no tsy mahafoy ny tsiron’izao tontolo izao”.

 

  •  Misy amin’izy ireny mafàna fo be amin’ny asam-piangonana mahazatra azy nefa tsy misalasala koa mampiseho fa afaka mitovy fisainana amin’ny olo-mandroson’izao tontolo izao.

 

  •  Ohatra: tsy olana amin’ireny mpino ireny no sady “mpitory teny” ao ampiangonana, na “manao chorale” ao ampiangonana nefa “ mampirafy”, na koa “misolokiloky vola  kely” na koa “ misotrosotro toaka “kely” na “whisky tsindraindray kely e!” rehefa vorivory ny mpianakavy, sns, sns izay tena tsy voatanisa…

 

  • Toa adinon’ny mpino toy ireny fa rombahana ny fanjakan’ny lanitra. Izay mahatandrina ny fahamasinana ihany no mendrika ho ao.

 

  • “Tsy misisika tsotra izao” ho an’i Tompo ny karazana mpino toy izany. Azo antoka fa ho èty dia èty ny vavahadin’ny lanitra ho an’ny mpino toy izany raha tsy miova haingana izany fomba fifandraisana amin’i Tompo izany.

 

  • Misisia mafy ianao hijoro ho an’I Tompo e! Tsy misy idiran’ny olon-kafa ny fihavananao amin’Andriamanitra ( la rélation divine est une rélation strictement personnelle entre Dieu et chaque être humain !)

 

  •  Ianao IHANY no mahalala. na tena te hikatsaka mafy ny paradisa ianao  ka tokony hampiakatra “ny hafainganam-pandeha (vitesse) sy ny herim-panomponao ny Tompo na tsia.

 

  •  Ianao IHANY no mahalala ny fahazaran-dratsy tokony hialanao haingana mba tsy hanakana ny dianao ho any  amin’ny fiainan-danitra rahatr’izay maty ianao.

 

  • Mazotoa ary ianao " misisika" amin’ireto fanompoana ireto:

 

  • Hanao ny asan’i Tompo, izay azo atao rehetra ety an-tany ,
  • Hidera azy amin’ny fivoriam-bavavaka rehetra
  • Hidera azy eo afovoan’ny jentilisa rehetra na misy olana aza
  • Hiova toetra tanteraka ho an’I Tompo,
  • Hitory amin’ny manodidina anao ny famonjen’i Tompo,
  • Aza menatra mijoro vavolombelona amin’ny fiadanan’i Tompo azonao
  • Hanome ny fotoananao, ny volanao, ny fahasalamanao, ny fahatanoranao, ny andronao sisa ho an’I Tompo
  • Hanome ny 1/10 harenanao ho an’i Tompo
  • Hitsinjo ny kamboty,ny manananon-tena, ny malemy, ny mahantra, ny marary, ny antitra noho ny Tompo
  • Hanolotra ny zanakao, ny vadinao, ny fiancé(e) nao, ny fianakavianao, ny mpiara-mianatra aminao, ny mpiara-miasa aminao, ny mpiara-monina aminao, ny tanindrazanao ho an’i Tompo
  •  Hamaky ny tenin’Andriamanitra isan’andro sy hampihatra azy amin’ny fiainanao  fa tsy hijanona ho  “théorie” ny fahalalanao ny Baiboly
  • Hivavaka  isan’andro, "mba ho tonga kristiana matotra daholo" ny olona ety an-tany

  • HANADINANA ANAO DAHOLO IZANY TARANJA IZANY RY MPINO MPANARA-DIA AN’I KRISTY +++

 

  • Jesosy IRERY no afaka hilaza amintsika tsirairay, na afa-po amin’ny “fiomanantsika” tety an-tany izy na tsia.

 

  •  TSY MISY afaka hanampy anao intsony aorian’ny fahafatesanao. Fa izay vitanao tety an-tany  tamin’ny fanompoana  Azy no “dossier” tokana hitsarana anao

 

  • Aoka tsy ho variana fa tsy nisy mpanala fanadinana “ sady mbola afaka mianatra lesona indray (mba ho afaka eo no ho eo ) rehefa mivaly ny fanadinana; ka tsy tao anatin’ny lisitry ny afaka izy”.

 

 

  •  MBOLA TSY TARA IZAO. Fa anio ihany raha vao vitanao vaky ity toriteny ity dia MISISIA hahatakatra izay zava-miafina andrasan’I Kristy amin’ny mpino tsy ankanavaka
  •  Mba ho avotra ny fanahinao ka ho tafiditra ny vavahadin’ny paradisa handova ny lanitra!

 

 

  • AMEN!

     

     

 

 



09/08/2012
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 58 autres membres